Ho vory marobe eny amin'ny CCI Ivato amin'ity anio ity ireo mpiasam-panjakana satria hisy ny fikaonan-doha lehibe, handinihana ny asan'izy ireo amin'ny ankapobeny.
Mampihodina ny raharaham-panjakana ny fonksionera ary manana anjara toerana goavana amin'ny fampandrosoana ny firenena. Matetika anefa ny hahafantaran'ny olona ny fonksionera eto Madagasikara dia tara lava, manao kolikoly, mamboly voky tsy mamboly voky. Nanomboka tamin'ny 2009 kosa dia malaza amin'ny fitakiana sy fitokonana ny mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra, ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ny mpitsara, ny mpiasan'ny fadintseranana. Mangataka ny famerenana ny hasin'ny asam-panjakana ireo sendika isan-karazany no sady mitaky fampisondrotan-karama koa. Tsy mbola nisy, hatreto aloha, ny vahaolana matotra amin'ireny fitakiana ireny fa dia fifanarahana maimaika foana no misy ka miato kely aloha ny grevy dia avy eo miverina indray. Mbola tena manahirana ny fikarakarana taratasy eny amin'ireo biraom-panjakana eto Madagasikara, sady ela no be kipitsopitsony loatra. Ho fanafainganana ny asa dia nametraka ny "Guichet Unique" amin'ny sehatra maro samihafa ny fitondrana teo aloha, nanofana sy nampianatra ireo mpiasam-panjakana, nanamafy ny ady amin'ny kolikoly, saingy hatramin'izay nisian'ny krizy izay dia niverina zero, araka ny fomba fiteny ny zava-drehetra. Ka ny fandrosoana kely mba vita teo aloha dia efa lasa fihemorana indray ankehitriny. Zovy no tsy mahalala fa anjakan'ny kolikoly tanteraka ny fikarakarana taratasy momba ny fananan-tany eto, sampandraharaham-panjakana no miandraikitra anio, ary mpiasam-panjakana no manao kolikoly ao. Nahamenatra ihany koa ny savorovoro nateraky ny fidirana teny amin'ny ENAM na ivontoerana fanofanana mpiasam-panjakana ambony, malaza be fa anjakan'ny kolikoly ny fanadinana fifaninanana nandraisana polisy sy zandary. Ao anatin'ny tontolon'ny asam-panjakana avokoa izany ary mila fandinihana lalina ny tena vahaolana mba ialana amin'io fomba ratsy io. Fa mialoha'izay, mila fantatra ny antony tena tsy mampandeha ny asam-panjakana sy ny mahatonga ny fonksionera kamo miasa sy tia manao kolikoly. Ny olona no harena voalohany, hoy ny mpandinika iray, koa na betsaka aza ny vola eo am-pelatanana, na dia raitra dia raitra aza ny fitaovana ampiasaina, rehefa ilay olombelona hanao ny asa mihitsy no tsy milamina, dia tsy misy zava-banona eo.
Tany mahantra i Madagasikara, kely karama ny ankamaroan'ny mpiasa, anisan'izany ny 80 isan-jaton'ny fonksionera, saingy ny fahasahiranana dia tsy midika fa malalaka ny fanaovana kolikoly sy fanaovana tandrevaka ny asa. Mila mandini-tena ny fonksionera ny amin'ny asa aman'andraikitr'izy ireo, ny fanjakana koa anefa dia mila mikaroka ny fomba rehetra hanomezana aina vao ny asam-panjakana, ary mila jerena akaiky ny lafiny maha olona fa tsy lakrimozena sy fanapahana karama na famindran-toerana no asetry ireo izay mitaky ny zony. Tsy misy firenena mandroso raha marefo ny tontolon'ny asam-panjakana, ary ny mpiasam-panjakana dia tokony ho vato fototry ny firenena. Koa antenaina fa mba fihaonambe hanova sy hanatsara zavatra tokoa ny atao eny Ivato, fa tsy hifantoka fotsiny amin'ny fikarohana tombontsoa manokana ho an'ny tena. Tafiditry ny politika fa hatramin'ny ela ny asam-panjakana eto Madagasikara, ary izay matetika no tsy mampivoatra azy, ny mpitondra ihany anefa no manao izany, mandalo krizy ny firenena ankehitriny ary misy ireo milaza fa misy ambadika politika ireo fitakiana sendikaly. Izay tokoa ve no tena marina sa mba fanosoram-potaka fotsiny ihany, izany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.