Edito

Mikorotana i Madagasikara


  • Alarobia 16 Jona 2010


Eo ankatoky ny 26 jona hankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena dia mikorotana i Madagasikara. Any Toliara, saika hanao hetsika ny ankolafy telo saingy fisamborana no nasetrin’ny FAT azy. Nadoboka am-ponja avy hatrany ny efatra amin’ireo mpitarika ankolafy Madagasikara ao an-toerana. Nikorontana noho izany ny tanàna fa nifandona ny Zandary sy ny vahoaka tsy nankasitraka ny fisamborana. Toamasina, hesorina i Gervais Rakotomanana Ben’ny Tanàna, avy amin’ny antoko TIM. Ampangaina ho nangalatra vola be izy ka hosolina PDS. Tsy henon’ny FAT mihitsy ny antson’ity Ben’ny Tanàna ity milaza fa tsy tafiditra amin’izany resaka halatra izany izy. Tsy manaiky ny mpanohana ny ara-dalàna ka mety hipoaka ny ady. Manakara : misisika ho PDS ihany koa i Sileny Alban. Tsy manaiky ny vahoaka izay miomana hanao hetsika goavana amin’ny sabotsy izao. Misalasala ny FAT ka nampihemotra ilay fandraisam-pahefan’ny PDS tokony hatao ny zoma teo. Antsirabe, miomana ny hanala ny Ben’ny tanàna TIM, Olga Ramalason koa ny FAT. Antananarivo, nitombo iray indray omaly ny mpomba ny ankolafy telo voasambotra. Hofongarina ny raharaha “7 febroary” ary ihazakazahana hotsaraina ato ho ato. Inona koa no hitranga any Mahajanga sy Antsiranana, amin’ity herinandro ity ? Mikorotana i Madagasikara ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT