Edito

Mikorosy fahana


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Resahan’ny mpitantana ny firenena ankehitriny matetika ny hoe ilaina ny fitoniana politika mba hahafahana mampandroso an’i Madagasikara.


Tsy misy anefa ny finiavana hampandroso fa fiarovan-tseza no betsaka. Ny tena loza, ny fanjakana no mihantsy sy mamboly korontana amin’ny alalan’ny antsojay isan-karazany. Ampihorohoroina sy andefasana herim-pamoretana sy tadiavina samborina amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Tsenaina amin’ny herim-pamoretana ny vahoaka miaro ny tanindrazany tsy hataon’ny vahiny tantely afa-drakotra. Izany ve no mitady fitoniana mba hahafaha-mampandroso ny firenena ? Ailika any amin’ny mpanohitra sy any amin’ireo mpitondra nifanesy teto amin’ny firenena ny olana kanefa ny fanjakana mihitsy no minia mikipy sy tsy te hahita ny antsoantson’ny rehetra noho ny filentehan’ny firenena any anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana noho ny tsy fahaiza-mitantana. Sady efa tsy hitondra vahaolana no mbola manome vahana ny fanapotehana an’i Madagasikara ny mpitondra ankehitriny. Dia mbola ny Malagasy ihany ve no enjehina sy omena tsiny ? Aza mba sendra ny mpitondra andevozim-pahefana sy mpivarotra tanindrazana ihany !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT