Edito

Mikorontana ny ngeza !


  • Talata 07 Martsa 2017

Mikorontana tanteraka ny tontolo politika any Frantsa. Fifidianana no antony. Samy mizarazara na ny hery an-kavia misy ny sosialista antokon’ny filoha Hollande na ny hery an-kavanana antokon’ny Les Republicains tarihan’i Nicolas Sarkozy ary nanolotra an’Atoa Fillon ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Tsy afa-bela amin’ny raharaha hafahafa koa ny Front National tarihan’i Marine Le Pen. Mifangaro ao daholo ny resaka kolikoly, fisandohana asa sy andraikitra, kiantranoantrano. Mandeha ny fanadihadiana sy ny raharaham-pitsarana, maro ny mpanao politika sy izay manodidina azy efa nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana. Tena hafa kely ny fifidianana amin’ity 2017 ity. Tsy mbola nisy korontana sy savorovoro tahaka izao hatramin’izay, hoy ingahy Alain Juppe. Mampatsiahy ny zava-misy aty Afrika ity mitranga any Frantsa ity. Na inona na inona ambara dia misy ambadika politika ny raharaham-pitsarana mihatra amin’i Nicolas sarkozy sy io zavatra manjo an’i Francois Fillon mivady ankehitriny io. Efa izay ilay fomba fiady, ary nandova azy io avy amin’ny mpanjanatany Frantsay ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany i Madagasikara. Olana foana rehefa fifidianana na inona na inona rafitra apetraka eo. Fa ny mahatsikaiky ankehitriny dia ireo firenena goavana mpanome lesona mihitsy toa an’i Etazonia sy Frantsa no miaina adilahy politika. Dia efa hikorontana marina izao tontolo izao atsy ho atsy izany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT