Edito

Mikorontana


  • Zoma 18 Jona 2010


Raha natao hoe toerana vonjimaika ihany ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana ao amin’ny Petite Vitesse, araka ny fanazavan’ny kaominina tamin’izany fotoana, ka nanapahany ny lalana tsy ahafahan’ny fiarakodia mifamoivoy dia toa zary maka faka eny mihitsy ireo mpivarotra ankehitriny. Anisan’ny fikorontanana voalohany teto amin’ny tanàna izany ary dia nampimenomenona ny maro an’isa satria tsy vitan’ireo mpitondra fiara no mijaly fa eo koa ireo mpandeha an-tongotra sy mpiandry taxibe. Tsy fantatra intsony manko ny hijanonan’ireo fiara fitateram-bahoaka na eo anoloan’ny garan’i Soarano, na ery ampitan’ny tsenan’i Pochard. Izany rehetra izany dia nanampy trotraka ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny fikorontanana tsy nisy toy izany. Amin’izao fotoana izao indray dia ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena ny rehetra, vao mainka mitombo izay tsy izy ny fitohanana. Tsy voafehin’ireo tompon’andraikitra izany. Rehefa tsy voafehy anefa dia nampiana tosika indray, ka ao anatin’izany ny nanapahana ny lalana etsy Anosy hatry ny omaly fa hasiana ‘podium’. Vao mainka nikorontana ambony ambany ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra. Tsy nisy izay tsy nisendaotra satria niteraka fahatarana, fikorontanana satria tsy vitan’izay hoe nikatso tanteraka ny fifamoivoizana fa voatery niova ny lalana nizoran’ireo fiara. Tsy misy manda ny hanaovana fety, fa raha ho an’ny toerana toa an’Anosy, sady afovoan’arabe kosa no ifamoivoizan’ny besinimaro tokony hoheverina ihany satria mbola maro ireo kianja malalaka azo anaovana izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT