Edito

Mikorapaka ny ao an-dapa !


  • Zoma 18 Febroary 2011


Don-tandroka tsy misy tahaka izany ny an’ny mpitondra ao amin’ny tetezamita manoloana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana, ary mbola nanamafy omaly i Andry Nirina Rajoelina fa voaheloky ny fitsarana ity filoha sesitany ity ary tsy maintsy handray ny andraikiny ny manampahefana. Raha adika tsotra io fehezanteny io dia hosamborina i Marc Ravalomanana vantany vao migadona eto satria voaheloky ny fitsarana Malagasy izy fa nanodinkodina volam-panjakana no sady nampamono olona tamin’ny 7 febroary (hono). Misy isan’andro nanomboka tamin’ny talata lasa teo ny fivorian’ireo be galona ao amin’ny foloalindahy handinihana ny tokony hatao amin’ny fanakanana ny fiverenan’i Dada, saingy vaky loha ihany ireto be galona ireto satria sarotra ny raharaha fa tsy vitan’ny basy sy sandry.

Araka ny fantatra anefa dia tsy manaiky mihitsy ny sehatra iraisam-pirenena raha tsy tonga eto mamarana ny adihevitra fandrafetana sori-dalana ivoahana amin’ny krizy i Marc Ravalomanana ary manasonia izany, saingy tsy te hahalala izany i Andry Rajoelina na dia efa maro ihany aza ny nandresy lahatra azy mba handefitra ka tsy hisakana ny fodiana an-tanindrazan’ilay naongany tamin’ny 2009. Manarak’izay dia tsy nisy nilaza mihitsy hoe raha miverina eto Atoa Ravalomanana dia tonga dia hijanona eto, fa mety mbola hiverina any Afrika Atsimo izy, ohatra, fa tsy mbola hitoetra maharitra eto. Fa amin’ny lafiny iray, ihany koa araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy dia tsy maintsy manao ireny fanambarana feno fampitahorana ireny ny FAT fa tsy tonga dia manaiky ny fiverenan’i Dada.

Efa fomba fiady io, fa raha ny tena marina dia tsy afaka manao na inona na inona ka hisakana an’io ny fitondrana tetezamita satria tsy ho avy irery Atoa Ravalomanana fa mety hiaraka amin’i Joaquim Chissano rahampitso sabotsy. Koa raha sanatria manao ny fomba fanaony nahazatra azy hatrizay amin’ny fisamborana sy ny fampiasan-kery ny FAT dia manangan’ady avy hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny fantatra ihany dia na ny Frantsay aza dia tsy mitsivalana amin’ny fiverenan’i Dada eto, satria efa samy maika sy dodona amin’ny famahana ny krizy ny rehetra, ka fanaovan-tsonia no tsy maintsy atao voalohany amin’izany dia mipetraka amin’izay ny fiaraha-mitantana avy eo. Ary na ny samy ao anatin’ny fitondrana tetezamita aza dia mizarazara ny hevitra momba ity raharaha ity, ao ny matahotra tsotra izao, ao ny tsy mivaky loha firy fa dia hoe aleo izy tonga eo dia ho hita eo ny tohiny, ao koa ireo tena vonona ny hisambotra sy hiady mihitsy raha ilaina zany, satria mety hiaraka amin’ny mpikarama an’ady Atoa Ravalomanana raha ho avy eto.

Midika izany rehetra izany fa misavorovoro ny ao an-dapa ary manomboka mifanipaka ny fomba fijery, ary na ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny foloalindahy aza dia niala bala araka ny fomba fiteny, mihitsy fa tsy nisy nety namaky ilay fanambarana miendrika fandrahonana. Misy dikany avokoa ireny tranga rehetra ireny. Ho hita eo ny tena marina ato anatin’ny 24 ora satria mety mbola ho maro ny zavatra hitranga, ary ho hita eo amin’izay ny tena herin’ny FAT. Ho hita eo ihany koa raha tena naloan’ny vahoaka marina, na mbola tiany sy ankasitrahany Atoa Ravalomanana. Fa ny tena marina ihany koa, araka ny fahitan’ny maro azy dia tsy sahy mifanatrika amin’i Dada mihitsy i Andry Rajoelina ka mitady izay tetika hialana bala foana. asa hoe inona mihitsy no anton’izany !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT