Edito

Mikofokofoka, misekoseko,…


  • Talata 02 Novambra 2021

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny “rentrée politique” na fidirana ara-politika fiomanana amin’ny fifidianana amin’ny 2023 isika amin’izao fotoana izao,

 ka samy manamboatra ny kajiny ny politisianina sy ny antoko politika. Tsy hay izay ho fisehoan-javatra mialohan’izay, fa ny sary miainga aloha, dia miomankomana fatratra amin’io ny rehetra. Mikofokofoka ny Fitondrana, ary toa efa tafiditra anaty propagandy. Miezaka milalao sary hoenti-maneho, fa tena mbola mamim-bahoaka, rakotra mpanotrona izay aleha,… Hararaotina izay hirika rehetra hatramin’ny bitika indrindra ahafahana misekoseko sy mamory olona hihoby sy hitehaka. Tsy henatra ny tsy fahatanterahan’ny fampanantenana tany aloha, fa miverina mampanantena indray, toy ny vidina lavanila any Avaratry ny Nosy. Toa manalavitra tanteraka ny etika politika aza indraindray, tsy miavaka intsony ny hoe: inona no asana filoham-pirenena sy tokony tsy ho asany intsony satria ny tanjona dia voatety daholo I babay sy lohavohitra? Tiana haseho, fa olona iray ihany no tena, hany ka hatramina zavatra tokony ho vitana minisitra na ben’ny tanàna aza dia ny Filoha no mila hasongadina eo. Rehefa misy marary ny olona, olana tsy voavaha,… dia lasa fahazarana ny hoe: miantso ny filoham-pirenena mba hamaha ilay olanay, kanefa ilay Filoha sy Fanjakana minia be marenina matoa enim-bolana, valo volana, herintaona,… tsy voaloa ny karaman’olona. Ny maika rahateo dia ny hoe: aiza no ahitana tombotsoa politika ahafahana mahazo olona mpanotrona sy mpihoby? May ny endim-boanjo satria miha atomotra ny fotoana, ny vokatra anefa tsy dia mahafa-po loatra, indrindra raha ampitahaina amin’ireo Fanjakana teo aloha tsy navela hisotro rano tamin’ny fanenjehana sy ny kiana,… Mbola mirehareha anefa fa diso ny tsikera rehetra satria maro vahoaka mpanohana hono. Asa adala daholo ve ireo mpiara-dia amin’ny Fitondrana manomboka sahy mitsikera ny tsy mety, misy ny mipirina mafy, any anaty fokontany sy fiarahamonina tsy misy tena sahy maneho ampahibemaso fa mpanohana sy anaty antokon’ny mpitondra fa menatra,… Ireo migoka tombotsoa, manana seza harovana,… sisa no tena miady mafy sao ho very fihinanana, ary ny sasany aza efa mipirina sy misalobo-komana, mitsinjo ny vodiandro merika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT