Edito

Mikipy manoloana ny marina


  • Alarobia 08 Desambra 2010


“Tsy misy jamba mihoatra izay minia mikipy manoloana ny zava-misy”. Asa raha mba mahalala io fomba fitenenana malaza maneran-tany io ihany ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy na tsia, fa tena mahalaza tsara ny fomba fijerin’izy ireo ny raharaham-pirenena io. Efa miteny daholo ny rehetra na ny eto an-drenivohitra io na ny any amin’ny faritany na ny any ampitan-dranomasina fa tsy hamaha ny krizy velively ny fanatanterahana ny hetahetan’ankolafy tokana sy ireo izay mitovitovy firehana aminy, saingy sady tsy mahare izany no tsy mahita ny zava-misy amin’ny fiainana andavanandro ny mpitondra. Moa va tsy miakatra isan-kerinandro ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fotoana, eny fa na dia ireo mofo fanendy eny amoron-dalana fihinan’ny “mafy ady” aza dia efa nisondro-bidy koa.

Tsy rototra mihitsy anefa ny FAT mivezivezy manerana ny tanàna amin’ny fiara mirenty, nisy mihitsy aza no tsy nifangaro tamin’ny besinimaro teny an-tsena isaky ny alarobia sy ny zoma intsony fa efa miantsena isan-kariva any amin’ny «grande surface». Na lalana 100 metatra dia ampiasana fiara ho an’ireo tratry ny tazon’ny fahazoam-pahefana tampoka, tsy mampiraika azy ireo izany satria ny fanjakana amin’ny alalan’ny volam-bahoaka no mandoa ny «ticket carburant» an’ny manampahefana rehetra ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Ary vao omaly aza no namaky bantsilana ny fandaniam-bola mihoapampana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita ny gazety mpiseho isan’andro iray, olona efa fantatra fa efa malaza amin’ny fisolokiana sy fampitomboana faktiora no fantatra fa niketrika izany. Adinodino indray moa tato ho ato izay ny resaka «bois de rose», fa tsy tokony hohadinoina anefa fa maro tamin’ireo ao anatin’ny fitondrana na olona akaikin’ny fitondrana, mpandraharaha sy mpanao politika no lasa mpanefoefo tampoka tao anatin’ny 8 volana monja noho ny fandripahana sy fanondranana an-tsokosoko izany hazo sarobidy izany.

Nankaiza ary ilay hoe «Task Force» tokony hamoaka ny anaran’ireo rehetra nandripaka ny «bois de rose» tany amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy, fa toa nangina tanteraka ? Tsy nangina intsony koa izao fa namoaka fanambarana ofisialy ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES ka nahitsy fitenenana amin’ireo fandikan-dalàna sy fanangonan-karena ataon’olom-bitsy ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Manjavozavo, hoy ny SECES ny fitantanana ny volam-bahoaka, ary atao tantely afa-drakotra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, ary mibaribary fa tena voahitsakitsaka ny demokrasia. Fa na dia eo aza izany zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny miampy ny fanairana maro samihafa izany dia manohy ny lalany ny FAT ary tsy te hahalala izay ho fidonany. Mipetraka eto ny fanontaniana : tena resy lahatra ve i Andry Rajoelina sy ny akamany fa mety ary handamina ny firenena ny zavatra ataon’izy ireo ? Azon’izy ireo antoka ve fa tsy matohatra azy ireo marina araka ny eritreretiny ny Ankolafy Telo ? Dia inona no mety hitranga raha tafiditra eto marina ny ireo filoha mirahalahy teo aloha ? Hanenjika sa hisambotra ny FAT, ary hahatohatra ny vahoaka ve izy amin’izay fotoana ? Tena azo antoka fa maro be ireo mijery fa tsy mahita, mihaino fa tsy mandre ary mieritreritra kanefa tsy manana saina haminavina ny hoavy ao anatin’ity fitondrana FAT ity.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT