Edito

Miketrika ny tandapa


  • Talata 11 Martsa 2014


Handao an’i Madagasikara indray izany amin’ity herinandro ity ingahy filoha. Andrasana ny valin-tenin’ny filankevi-panjakana momba ny fitoriana napetraky ny vondrona PMP izay mangataka ny fandravana tsotra izao ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Ambaran’izy ireo mantsy fa feno fandikan-dalàna ny nanatanterahana ny fifidianana teny Tsimbazaza. Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy mbola manana praiminisitra ihany isika, ny governemanta tetezamita sy ireo minisitra mpikambana ao aminy izay mihena isa isaky ny mihetsika no mampandeha ny raharaha eto. Tsy tokony hohadinoina fa maro ny minisitra misahana departemanta roa ao anatin’izao governemanta izao, satria efa tsy eo amin’ny toerany intsony noho ny naha kandida azy, na noho ny antony hafa ireo tena tompon-toerana tahaka ny minisitry ny raharaham-bahiny, ny minisitry ny fitsarana, ny praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany, ny minisitry ny tontolo iainana, ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra… Mipetraka ary eto ny fanontaniana : moa ve mandeha araka ny tokony ho izy ny asa ao anatin’io governemanta Beriziky io ? Raha ho any Etazonia ny filoha, ny praiminisitra ara-dalàna tsy mbola voatendry ary raha ravain’ny filankevi-panjakana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena dia ahoana ny fitantanana ny Firenena ? Ny HCC io efa mitsingevaeva io fa miandry isa feno. Fa moa ve tena misy olana goavana be mihitsy, matoa mitarazoka tahaka izao ny fanendrena ilay praiminisitra e ? Sa efa tena izao mihitsy ny paikady politikan’ny HVM : manao izay fomba rehetra hanilihana tsimoramora ny Mapar sy ny PMP dia miditra milamina ny olony avy eo ? Hita mantsy fa voahodidina manampahaizana amin’ny lafiny rehetra i Hery Rajaonarimampianina, ary azo antoka fa tsy mipetra-potsiny ao an-dapa izy ireo fa misy zavatra ketrehany ao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT