Edito

Mikatso tanteraka indray e !


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Somary adinodino kely indray aloha ny resaka politika fa dia variana tamin’ny fankalazana ny faha-51 taona nahazoana indray ny fahaleovantena ny rehetra.

Na izany aza dia mbola manaloka ny fiainam-pirenena ihany ny famahana ny krizy ary samy mahatsapa ny rehetra fa mikatso indray ny raharaha. Noheverina fa fihaonana farany niala-nenina ary hahitana ny marimaritra iraisana ny natao tany Gaborone, saingy vao mainka nihombo ny aretina mahazo ny firenena, ary raisin’ny maro ho tompon’andraikitra amin’izany ireo mpanelanelana avy amin’ny SADC izao toa manakorontana fa tsy manelanelana ary mampibaribary ny fiandaniany amina ankolafy tsotra izao. Mahamenatra sy manalabaraka ny asa nataon’ny SADC raha araka ny nambaran’ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena CNOSC ka tsy misy azo antenaina amin’izy ireo intsony fa tokony hatao indray ny fihaonan’ny samy Malagasy eo ambany fiahian’ny mpanelanelana Malagasy satria voaporofo izao fa tsy mahavita azy ny sehatra iraisam-pirenena izay naniraka ny SADC.

Miha mitombo ihany ireo mitaky ny hanaovana io dinika io ary eto Madagasikara no hanatanterahana izany fa tsy any Afrika. Tokony handray anjara mivantana amin’io ihany koa ireo ankolafy politika rehetra miaraka amin’ny mitarika azy, fa tsy mety intsony ny fanilikilihana tahaka ny nisy hatramin’izao. Eo anefa no mampikatso ny raharaha satria tsy hanaiky velively ny hidiran’Atoa Ravalomanana eto ny FAT izay raha tsorina dia ankolafy Rajoelina. Misy teboka iray ihany koa manomboka voaresaka eo amin’ny sehatra politika tato ho ato izay dia ny fanoloana ny praiminisitra Camille Vital satria tsapan’ireo hery politika maro samihafa fa tsy praiminisitry ny marimaritra iraisana ary tsy afaka mampivondrona ny hery politika sy ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena ity manamboninahitra jeneraly mbola am-perinasa ity. Izy rahateo tena hita mibaribary fa manohana an’i Andry Rajoelina ary mankahala tanteraka ireo ao amin’ny Ankolafy 3.

Dia izay ilay nanambarana fa mikatso tanteraka ny raharaha satria tsy mbola mety hita hatramin’izao ilay marimaritra iraisana tokony hamahana ity krizy ity, milaza fa tena manana ny rariny ny avy ao amin’ny mpanohitra raha mitaky ny hametrahana rafitra iaraha-mitantana ary ahitana ny hery rehetra, mahita kosa anefa ny fitondrana tetezamita fa efa governemantan’ny fisokafana no misy amin’izao fotoana, ary torak’izany ny eny amin’ny parlemanta satria efa nisy mpanao politika nitonona fa avy amin’ny antoko politika rehetra. Ny sehatra iraisam-pirenena koa moa tahaka ny hafahafa ihany ny fomba fiasany ary manomboka mahavalalanina ny maro satria toa mitombina ihany ny nambaran’ireo vondrona politika sasany noheverina hoe madinika fa tena ny hampiady ny samy Malagasy mihitsy angamba no tadiavin’ny vahiny fa tsy ny handamina ny krizy izany, izay ihany no azo andikana ny fiovaovan-kevitry ny SADC sy ny teny feno avona ataon’ny Dr Simao momba ny Ankolafy 3. Mikatso tanteraka izany ny raharaha e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT