Edito

Mikatso ny raharaha


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Mafampana eo amin’ny resaka fitakiana sy fitokonana ity anio ity, satria hampiseho ny heriny ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny Sempama.

 Omaly dia efa nandeha ny fanentanana teny amin’ny sekolim-panjakana maro ny amin’ny tokony hanatevenana ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary, ary araka ny fantatra dia hafana ny ambiansy eny Anosy manolona ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ity anio ity satria dia mitombo isa hatrany ireo mpampianatra manatevin-daharana ny hetsika. Nisesisesy ny fivoriana nandinihana ity fitakian’ny mpampianatra ity, saingy tsy mbola tena nisy aloha hatreto ny fanapahan-kevitra noraisina. Ny fantatra fotsiny dia marary ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika, ary raha tsy voavaha amin’ity vola aprily ity io olan’ny mpampianatra io dia atahorana ny tsy hahatanterahan’ny fanadinam-panjakana ara-potoana. Nandrahona ny hanao fitokonana fanairana ihany koa amin’ity anio ity ny mpitatitra eto an-drenivohitra sy ny manodidina araka ny efa nambaran’ny UCTU, na dia nihemotra tamin’ny ora farany aza.

Efa hatramin’ny zoma anefa ireo zotra sasany no niteny tamin’ny mpandeha fa hitokona izy ireo amin’ity alarobia ity, ao koa ireo manamafy fa hiasa satria tsy maintsy mitady vola. Tsy maintsy hisy akony amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro aloha, raha vao misy taksibe mitokona tsy miasa, na dia tsy izy rehetra aza. Endrika isehoan’ny krizy avokoa izany rehetra izany, ary mbola manaporofo ihany fa tsy mahavaha olana ny fitondrana tetezamita. Tsy mba mahay misoroka fa mitsabo sy mamono afo foana, ary isaky ny misy olana miseho dia manao teny mahery mampitandrina ny hafa foana i Andry Rajoelina. Efa fomba nahafantarana azy io, hatrany amin’ny resaka Maputo ireny, saingy rehefa tena dinihana dia tsy misy akory izay tena fanapahan-kevitra hentitra raisiny avy eo, ka mampilamina. Hita ho tena mikatso ny raharaha eto, tsy misy fotoana mba hakana aina sy hisentoana ny mpitondra fanjakana fa dia tototry ny fitakiana sy fitokonana, miala an’Ankatso dia miditra an’Ambohidempona; hita ho efa manomboka sempotra ihany ny filohan’ny tetezamita izay mibaribary be fa tsy mahafehy intsony ny olona ambany fahefany ary efa tena difotry ny zava-misy tanteraka, ka eto afovoan-tany avy no hambolena boaderozy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT