Tsy mbola voaloa ny karaman’ireo mpandraharaha eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ka dia mitohy ny fitokonana, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny asa aman-draharaha eny Ankatso amin’izao fotoana fa dia mikatso ara-bakiteny. Omaly no tokony ho nandray ny karamany volana jolay ireo mpiasa ireto saingy tsy tanteraka izany, ary rehefa nihaona tamin’ny filoha lefitry ny oniversite moa izy ireo dia nampahafantarina fa tsy mbola vonona mihitsy ny vola tokony handoavana izany. Tsy manam-bola intsony mantsy ny oniversite ka izay no tsy hahafahana mamaly avy hatrany ny fitakiana. Na dia ny vola hividianana taratasy sy penina aza manahirana, araka ny nambaran’i Jean Eric Rakotoarisoa filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo, ka sarotra ihany no hanome valin-teny mahafa-po ho an’ireo mpiasa mitaky ny handoavana ny karamany, raha tsy misy ny fanampiana ara-bola avy any amin’ny fanjakana. Tokony hanana tetibola azy manokana tokoa mantsy ny oniversite saingy io vola io mihitsy no tsy eo am-pelatanana ankehitriny. Misy ampahany avy amin’ny fanjakana, ary ampahany amin’ny vola miditra manokana amin’ny oniversite izany tetibola manokana izany. Nanamafy anefa ireo solontenan’ireto mpandraharahan’ny oniversite ireto, fa tokony hisy io vola io, satria nangataka ny mpampianatra dia nahazo ny anjarany, nangataka ny mpianatra dia nahazo ihany koa, koa nahoana no rehefa izahay no mitaky ny zonay dia arirarira tahaka izao, hoy ihany izy ireo. Nanamafy moa izy ireo fa karama, izay valin-kasasarana, fa tsy tambin-karama tahaka ny an’ny mpampianatra no takiana.
Mandra-piandry ny valin-teny avy amin’ny tompon’andraikitra dia manohy ny fitokonana ireto mpandraharahan’ny oniversite ireto. Narindrin’izy ireo moa ny vavahady fidirana eny Ankatso, tsy mandeha ihany koa ny fampianarana satria mikatona ny efitrano fianarana. Na ny «office du bac» tetsy Ankadifotsy aza dia nikatona tanteraka hanamafisana ny fitakiana sy hahatonga saina ny tompon’andraikitra fa tsy mihodina ny oniversite raha tsy miasa ny mpandraharahan’ny oniversite izay mahatratra 1600 ny isany. Manoloana izao tranga izao dia maneho ny ahiahiny ireo mpianatra satria efa manakaiky ny vanim-potoanan’ny fanadinana. Nisy ary ny fanambarana navoakan’izy ireo, omaly izay mitaky ny hisian’ny fitoniana eny amin’ny oniversite, mitaky ihany koa ny handoavana ny karaman’ireo mpandraharahan’ny oniversite ireto, sy ny hamoahana ny vatsimpianarana ho an’ireo tafiditra ao amin’ny lisitra fanampiny. Ankoatr’izay dia mbola mitaky ny hanitsiana ny tetiandro amin’ny fanatanterahana ny fanadinana ihany koa ireto fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso ireto ary manainga mavesatra ny fanjakana mba tsy hanao be marenina lava amin’ny olana manjo ny oniversite amin’ny ankapobeny.
Ny namehezan’ireto mpianatra ireto ny fanambarany moa dia ny fitakiana ny hisian’ny fihaonana eo amin’ireo toko efatra mahamasa-nahandro dia ny mpianatra, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharahan’ny oniversite ary ny fanjakana mba handinihana ny hialana amin’ny olana sesilany tsy mety ahitam-bahaolana hatramin’izao eny amin’ny Oniversite. Araka ny fanambarana ihany dia manery ireo mpianatra handray fanapahan-kevitra hentitra kokoa ny tsy fahatanterahan’ny iray amin’ireo fitakiana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.