Edito

Mikatso


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Hisy sahy hilaza ve izao mbola tsy niainana teto mihitsy izao tontolo iainana ara-politika fohantsika mianakavy eto amin’ity Madagasikara ity ankehitriny izao?

Ny fitondram-panjakana sy ny ekipany afaka manao fihetsiketsehana malalaka. Ny mpifanandrina heverin’izy ireo fa maivana koa tsy ataony na inona na inona. Ny mpifanandrina mbola tiany hisongadina sy heveriny fa hanaiky ho resiny mora rehefa tonga ny tsotsoromamba, iny no tratran’ny fanakantsakanana. Tena sakanana koa ve sa mody sakanana? Fanontaniana isany mipetraka izany fa na tiana na tsy tiana aloha dia sary na toe-javatra efa niverimberina teo amin’ny tantaran’ny mba atao hoe politika teto Madagasikara hatramin’izay izany rehetra izany. Politika mirefarefa amin’ny tany! Tsy ny sosialy na toekarena ihany izany no mikatso na mihemotra mihitsy eto amin’ity firenena ity fa ny fanaovana politika koa dia mikatso ary tena hoe an-dalana hikodiadia ary amin’ny farany ambany ary! Niarahan’ny rehetra naheno ireny ny kabarin’ny filoham-pirenena sy ny famalian’ny mpanohitra sasany azy. Politika no atao dia voaresaka hatrary amin’ny fivoahana amin’ny maha olombelona sy filany manokana isan’andro ary, mba tsy hilazana hoe efa tena resaka jiolahimboto na fitenim-boto izay maha menatra na ny mamerina azy eto aza. Mikatso daholo ny raharaha manontolo. Ny fomba fanao politika efa hita ho nandetika ity firenena ity hatrizay ihany no mbola averin’ny tsirairay araka ny toerana misy azy avy. Mikatso!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT