Edito

Mikatona


  • Alarobia 11 Mey 2022

Mikatona ny fomba fijery. Mikatona ny fomba fiasa. Mikatona ny fomba fanaovana serasera. Mikatona ihany koa ireo sehatra henoina ary tsy mahagaga raha toa ka mikatona manaraka izany rehetra izany amin’izao fotoana izao ny lalana mankany amin’ny tena fampandrosoana.

Tsy vao izao io fananarana ny fitondram-panjakana, indrindra, ny filoham-pirenena tsy hihevitra afa-tsy ny hoe izy sy ny fitondrany irery ihany no nanomboka an’ity babay sy lohavohitra ity io. Efa ela no nanoroana ny tena tokony ho laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony ivoahany ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina izao. Isany ny maha laharam-pahamehana ny famoronana asa, ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana, ny fanohanana sy fampiroboroboana ny fizahantany mialohan’ny fananganana fotodrafitrasa mamiratra jerena nefa tsy misy mpampiasa ary mety hampidi-trosa tsy hita noanoa ho an’ny taranaka fara-mandimby avy eo. Dia mifandray amin’ilay resaka fanaovana serasera tsy mety miova hatramin’izay natsidika teo ihany io. Maha roboka ny tsy ampy fandinihana tokoa aloha ilay endrika ivelany manjelatra dia manjelatra na dia tsy ampy betsaka fotodrafitr’olona sy fotodrafitrasa aza saingy izao mbola mandrendrika ny firenena tao anatin’ny 13 taona izao kosa nefa ny tohiny. Ny filoham-pirenena sasany amina firenen-dehibe ataon’ny tena filamatra sahy milaza amin’ny vahoakany fa vonona hanova praograma raha mahita izany fa tsy mahasoa ny vahoaka saingy ny antsika moa izany hatreto na dia teo aza ny krizy maro izay efa nolazainy izy tenany sy ny mpiray donakafo aminy ihany hoe tsy nampoizina dia mbola tohizana amin’ny efa nosoritana ihany ny lalana na dia tsy mety maha tafavoaka hatramin’izao aza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT