Edito

Mijery adin’olon-dehibe


  • Talata 20 Septambra 2022

Mahamenatr’olona! Izay hatrany no azo ambara, saika isan’andro, eto amin’ity firenena ity. Tsy misy azon’ny mpanara-baovao sy olompirenena atao afa-tsy ny mijery adin’olon-dehibe isan’andro izao.

Saika isan’andro dia ahenoana ady an-tranon-drizareo ao an-dapa ao foana. Rehefa tsy izay dia fifandirana eo amina tomponandraiki-panjakana sy lehibena sampana manana ny lanjany eto amin’ny firenena izay fantatra fa mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny teo aloha ihany. Io izao dia tsy hay hoe haharitra mandra-pahoviana ity adin’ny administratera sivily sy governora ity? Rahoviana no hifarana ny kakay hifanaovan’ireo minisitra sasany izay misy fiantraikany aty amin’ny tontolon’ny famatsiana herinaratra sy angovo aty mihitsy? Ny fiainam-bahoaka hatrany no voatorotoro amin’ity adin’olon-dehibe miseho lany sy mahamenatr’olona ity. Na zazakely aza ve hanao toy izao? Ny haino aman-jery no zary lasa ringa. I anona sy anona indray, hono, no miady! Tonga ny ampitso. I anona sy anona koa hono misy olana. Ny sasany moa dia maharitra herinandro, am-bolana, an-taonany, tsy ho tapitra intsony mihitsy aza angamba kanefa dia napetraka hanompo vahoaka sy hamaha ny olana eto amin’ny firenena no antom-pisiany. Rehefa tsy izay no miseho dia ity karazan-javatra mamoha henatra ity. Ny sasany voatonona amin’ny resaka volamena, ny sasany tamin’ny “bonbon sucette”, ny sasany “écran plat”, ny sasany fiarahana amin’ny artista, ny sasany nilalao basy, ny sasany resaka solika mitapoka, ny sasany… tsy hita intsony izay ilazana azy ankoatran’ny hoe mijery adin’olon-dehibe mahamenatr’olona!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT