Efa misimisy ihany izay fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra izay, saingy tsy tena hita ny voka-tsoany amin'ny fiainam-pirenena.
Misy moa ny tolo-kevitra avy amin'ny governemanta ary misy koa ny avy amin'ny filohan'ny tetezamita, ireny no dinihana sy halalinina, ka hamoahana fanapahan-kevitra avy eo. Misy filankevitry ny governemanta iray sy filankevitry ny minisitra iray, isan-kerinandro. Afaka mifampiresaka foana anefa ireo tompon'andraikitra ambony ireo, raha misy ny zavatra maika. Tsy tokony hisy fanapahan-kevitra raisina maimaika izany mihitsy, amin'ny fitantanana firenena na dia hoe mandritra ny tetezamita aza. Adidin'ny mpitondra ihany koa ny maminavina ny zavatra mety hitranga sy mieritreritra ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisina ! Mba nahagaga ihany anefa ny nataon'izao fitondrana tetezamita izao satria nambara fa azo atao ny manondrana volamena, avy eo nambara fa tsy azo atao indray.
Nanapaka ny filankevitry ny minisitra fa azo atao ny manondrana omby any ivelany, avy eo nambara fa tsy azo atao intsony indray. Nesorina tamin'ny toerany ny minisitry ny tontolo iainana, tsy hita hatramin'izao izay solony dia efa manana eritreritra ny hanolo vonjimaika minisitra hafa indray. Ary ny somary mahatsikaiky dia, indraindray mifanipaka ny ambaran'ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra kanefa olona tokony hifampiresaka isan'andro izy ireo. Ambony ambany ny fitantanana ny firenena. Mbola azo tsapain-tanana ny fanjakazakan'ny ankolafy tokana, ary hita taratra hatrany ny fanilihana ny hafa. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa fa mety mikaroka ny fomba rehetra hanakorontanana ny tetezamita sy ny firenena, ireo taranaky ny mpanjanatany izay mbola miaro ny tombontsoany hatramin'izao. Dia io mikorontana io ny zava-drehetra ary hita mihitsy fa dia matetika mijabaka amin'ny resaka fanapahan-kevitra ny mpitondra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.