Edito

Miitatra tsikelikely


  • Talata 12 Oktobra 2021

Miitatra tsikelikely ihany ny tsy fahatomombanana mitranga eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy vokatr’ity tsy fahaizana mametraka ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena efa averimberin’ny

 maro azavaina amin’ireo mpitondra ity, mba tsy hilazana hoe tsy fahaiza-mitantana. Raha fintinina ny tamin’ny herinandro lasa dia isan’izany ny olan’ireo mpitsabo nampifoha ny raharaha Eddy bois de rose, ny olan’ny mpiasa Malagasy, ny olan’ny oniversitem-panjakana sy sehatra miankina amin’ny fanjakana hafa ihany koa. Tsy resahana intsony moa ny fijotson’ny baolina kitra Malagasy indray izay ny irariana dia ny hoe enga anie hanomboka hitsabo azy iny fandresena tamin’ny isa tery dia tery farany teo iny! Niandoha indray iny ny herinandro vaovao dia nivoaka tamin’ny fahanginany hatramin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny hazo sy ala eto Madagasikara. Mbola tsy voavaha koa, hono, ny olan’ireo beantitra nilahatra ny fisotroan-drononony. Asa hoe hanao ahoana iny lafiny iny ho amin’ny anio hatramin’ny zoma. Ny hita aloha, hatreto, dia miha tsy voafehy tsikelikely na inona na inona toe-draharaha. Saika isan-tsehatra io. Toekarena, sosialy, fanatanjahantena, kolontsaina. Ny politika izany moa dia amin’ireo sehatra rehetra voalaza teo ireo fotsiny dia efa samy saika ahenoana ny fanontaniana tsotra mifandraika aminy avy dia tsy inona ireo fa ny hoe inona ny politika hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara? Inona no politika mikasika ny sosialy, ny kolontsaina, ny fanatanjahantena? Inona mihitsy no tena politika mikasika ny fampandrosoana marina eto amin’ity firenena ity sa ho ampatoriana amin’ny makety sy ny fampanantenana tsy mety lany eto foana ve izany ny iray Tanàna ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT