Edito

Mihozongozona ny seza


  • Alarobia 16 Mey 2012

Miha mafana hatrany ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana.

 Tonga hatrany Toamasina ny hetsiky ny mpianatra arahana savorovoro. Na nijoro aza ny FFKM dia mizara ny hevitry ny olona, ao ny manaiky ao no mitsipaka ny fidiran’ny fiangonana amin’ny fanelanelanana. Mbola mitohy hatrany ny fitokonan’ny Sempama satria amin’izy ireo dia mbola misy ny fitakiana tsy voavaly. Ny mpitatitra etsy ankilany na dia tsy nitokona aza ny alatsinainy teo dia milaza fa hanangana komity handinika ny fomba hampiakarana ny saran-dalana. Sarotra raisina ihany koa ny raharaha mampifanolana ny PDS-n’Antananarivo renivohitra sy ny onjampeo Free FM momba ilay tany eny Ankorondrano. Tokony ho ady madio eny amin’ny fitsarana izy io nefa ny fitsarana dia nanome rariny an’Atoa Edgar Razafindravahy omaly. Nia lasa mitatra ny raharaha.

Nihetsika sy nidina an-dalambe ny Sendikan’ny mpanao gazety omaly. Mampitombo hatrany ireo savorovoro eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany ary manaporofo hatrany fa manomboka tsy mahafehy ny zava-mitranga intsony ny fitondrana tetezamita ary hita ho tena sempotra mihitsy matetika. Manampy trotraka koa ny tsy fifanarahana amin’ny fitantanana ny fanjakana, nitsefotra ny fampiharana ny tondrozotra, ary na ny SADC aza dia niaiky an’izany ka nikorapaka nampiantso fivoriana indray. Ao anatin’izany rehetra izany dia hifandrotehana ny fitrandrahana safira any Didy – Ambatondrazaka ary tena gaboraraka ny zava-mitranga any. Tsara homarihana fa ao anaty faritra voaaro io fitrandrahana io ary tena mihazakazaka ny fanapotehana ny tontolo iainana any. Tsy hita izay hetsiky ny mpitandro ny filaminana manoloana ny toe-javatra, fa olona tsy meloka eny Itaosy indray no hanaovana be midina sy robaina fananana. Mbola misy fanjakana ihany ve eto e ? Maro no manomboka resy lahatra fa raha mitohy izao fiakaran’ny maripana izao dia mety tsy hahatody, ny 26 jona ny fitondrana tetezamita amin’ny endriny amin’izao fotoana fa dia ho rava mialoha. Raha tsorina ny resaka dia varimbarian’ny lavitra i Andry Rajoelina sy ny ekipany ka tsy nahita ny ambany maso.

Be loatra ny fampanantenana natao tetsy sy teroa, hopitaly sy kianja manarapenitra no nahamaika. Nampidirina teto daholo izay orinasa vahiny te hitrandraka harena ankibon’ny tany, kanefa tsy voadinika sy tsy mba nojerena ny tena maharary ny vahoaka sy ny zavatra tena ilainy. Voaporofo izao fa vonona ny handrodana i Andry Rajoelina fa tsy niomana ny hitondra, ka izay no anton’izao savorovoro rehetra izao. Tsy mionona amin’ny eo am-pelatanana ny tena mitondra mahay mitarika, fa mahay mamorona ny tsy misy, mahita vahaolana amin’ny olana rehetra, ary mahay mampitony rehefa misy ny savorovoro. Ny olan’ny fitondrana tetezamita dia noho izy nirobaroba be loatra tamin’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana. Raha ny hita amin’ny zava-misy ankehitriny dia manomboka tsy mahatohitra intsony ny hevitra ny basy, ka izay no hanambarana fa mihozongozona ny seza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT