Edito

Mihodinkodina toa tandrimo !


  • Alatsinainy 14 Febroary 2011


Ao anatin’ny fisavoritahana tanteraka ny tontolo politika eto amintsika amin’izao fotoana. Tena manahirana ny milaza sy mamerimberina azy, kanefa izay no marina. Na dia mangingina aza ny fidinana an-dalambe sy ny fitokonana ary ny lakrimozenina etsy sy eroa tahaka ny nahazatra, volana vitsivitsy lasa izay, dia tsy mbola milamina ny tany. Izao aza vao tena ratsy ny toe-draharaha satria efa tena reraka ny vahoaka, nefa mbola be fofon’aina amin’ny adivarotra sy ady seza ny mpanao politika. Tsy manaiky lembenana ireo resy ambony latabatra omaly, ary tsy hisalasala ny hitady tetika hampitomboana ny tombontsoany kosa ireo efa tsara toerana. Dia mifamadibadika eo ilay izy ary tsy misy fiovana mihitsy.

Volana febroary, 2009 efa nisy ny fifampidinihana teny amin’ny Le Hintsy teo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, izany hoe telo taona lasa katroka mihitsy izay, satria ny tapaky ny volana febroary taorian’ny sabotsy mainty teny Ambohitsorohitra no nanombohan’io dinika io. Nandamoka izany, tsy hita ny marimaritra iraisana, nirodana ny fitondrana Ravalomanana ary niafina sy nitsoaka ny ankamaroan’ireo manampahefana natahotra ny fisamborana sy ny valifaty politika. Nandeha sy nisesy avy eo ny Maputo I, II, III mbola nisy Addis Abeba in-droa teo anelanelan’ireo, nitohy hatrany Pretoria Afrika Atsimo izany. Niverina teto Madagasikara fa hoe aleo ny samy Malagasy no hifandamina fa tsy tokony hiditra an-tsehatra izany ny vahiny. Nisesisesy ny fihaonambe teto, fehin-kevitra isan-karazany no navoaka, nikatso ihany ny raharaha. Tonga indray ny SADC hanelanelana, nihafihafy fa tsy dia nipoitra firy intsony ny Raiamandreny Mijoro sy CNOSC. Dia izao iaraha-mahita izao fa nitsefotra indray ny sori-dalan’ny SADC.

Miverina Zero ny raharaha, ary hisy indray (hono) ny fandrafetana sori-dalana vaovao, dia mbola hozaraina amin’ireo ankolafy politika rehetra indray io, dia samy handinika ireo dia hanolotra ny soso-keviny tsirairay avy dia ho hita eo indray ny fandravonana ny hevitra. Tsy niova ihany koa fa dia tahaka ny mahazatra ny fomba fitenin’ny mpitondra tetezamita : aoka izay ny fampidinihana. Efa miroso ny dian’ny sambo ka aleo ho rendrika eo izay tsy mety miakatra ao anatin’izany. Dia tena hiroso tokoa ve ny dia sa tahaka ny teo aloha ihany ? Mihodinkodina toa tandrimo ny raharaha ary tena sangodim-panina no mitranga eto Madagasikara amin’izao fotoana. Fanina sy sempotra ny olona, ny sakafo amin’io ambany foitra isan’andro ary kely sisa dia hipoitra eto ny krizy ara-tsosialy goavana izay tena ho sarotra tsaboina.

Tsy azo hanina atao sakafo ny kianja sy ny hopitaly imatimatesan’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana maha mosarena ny maro an’isa amin’ny Malagasy izao. Iza tokoa no atleta hikotrana sy hihazakazaka ao anatin’ireo kianja raitra dia raitra ho vita afaka herintaona raha toa ka tsy ampy sakafo ny Malagasy ? Sa ve sanatria natao hitsaboana sy hitazonana ireo marary sy trotraky ny fiainana, sy reraky ny hanoanana ireo hopitaly haoriana manerana ny Nosy ireo ? Hita ho mitombina ny filazan’ny maro fa mila miaiky ny tsy nety nataony ireo mpanao politika sy mpitondra rehetra nifandimby teto, dia hatao ny fampihavanam-pirenena tena izy avy eo. Aorian’izay vao mieritreritra izay hoe Repoblika vaovao. Raha ny mifanohitra amin’izay no mitranga dia azo antoka marina fa ny vahiny no hanjaka eto ary izay olona azony baikona ihany no apetrany eto amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara efa voalamina ho amin’ny tombontsoan’izy ireo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT