Edito

Mihodina ny tany


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Mety hahatsikaiky ny mahita olona mametaka peta-drindrina kandida iray kanefa manao fanamiana kandida iray hafa. Mety misy ho sorena koa anefa rehefa mahita tranga toy izany.

 

Mitovy amin’izay koa ny mety ho fihetseham-po rehefa mahita sarina kandida samihafa aranty amina fiara tokana. Toa tsy mampino raha sitraky ny kandida ho filoham-pirenena vonona ny ho lany amin’ny fifidianana no mankasitraka fomba fampielezan-kevitra tsy nisy nanao toy izany. Izay tokoa angamba ny dikan’ilay fomba filaza hoe mihodina  ny tany na mihodina ny daty, araka ny filazan’ny mpanakanto azy. Mba anjaran’ny valalabemandry indray ny manao izay mahafanina ny mpanao politika mandritry ny volana sy andro maromaro. Jerena tany amin’ny fotoam-panomanana ny fifidianana, mba tsy hilazana ho nandritry ny fampielezan-kevitra nialoha ny fotoana, toa hita ho samy nahazaka vahoaka daholo na Hendry io na bodo na adala. Tonga anefa ity ny fotoana fampielezan-kevitra, toa samy zara raha misy mpanotrona indray ny ankamaroany na aiza na aiza alehan’izy ireo. Ny sasany amin’ireo izay nanandra-tena ho nahazaka vahoaka aza nalaza sahady fa saika niharana hatezeram-bahoaka satria tsy nahaloa ny volan’ireo nokaramainy ho vahoakany. Tsy mbola misy afaka milaza azy ho mpandresy, araka izany, hatreto fa ny aorian’ny fifidianana ihany no azo hitsarana izay tena mamim-bahoaka marina. “Mba hampalahelo ny sambatra” amin’ity volana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT