Edito

Mihitsoka


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

« Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha. ». Filamatra sady tenina andrarezin’ny soratra teto amin’ny firenena izany.


 “Mialoha ny hametrahanao fanontaniana hoe inona no tokony hataon’ny firenena amiko dia apetraho aloha ny fanontaniana hoe inona no tokony hataoko amin’ny fireneko”, hoy koa ny mpitondra Amerikanina fahizany izay mbola teny velona mampijoro ny vahoaka any amin’izao fotoana sady nahafahany nitsapa fa misy adidy sy andraikitra tandrify azy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny fireneny. Izany fahatsapana izany anefa dia tsy mijanona ho resaka fotsiny fa tena manetsika ny olom-pirenena tsirairay any an-toerana mihitsy no sady manamafy hatrany ny fiandrianany. Dia toy izany daholo ireo firenena rehetra eto ambonin’ny tany izay efa lasa lavitra noho ny fiantraikan’ny karazana teny filamatra mandona toy izany. Isika kosa ary mba ahoana ? Hijanona himonomonona sy hitanisa lava izao fa tsy mahomby foana ve ny mpitondra ? Efa mba be ihany koa izay teny faneva nifampitampitan’ireo mpitondra nifanesy teto izay. Marina fa mitombona dia mitombona tokoa ny hoe nohezahan’izy ireo tsy hahalala izay andraikitra tandrify antsika isika. Fa dia hionona amin’izany fandemen-tsaina izany foana tokoa ve ? Dia ho sanatria hihitsoka eto foana ve ?

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT