Edito

Mihinana am-bolony loatra


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Manamarika ny fiainam-piarahamonina misy antsika ankehitriny ny fihinanana am-bolony matetika. Toa tsy manana fotoana hisainana sy handinihana intsony, fa zary maika hitsara sy handray fanapahan-kevitra.

 Ohatra iray ilay trangam-piarahamonina hoe: tampotampoka eo dia hoe: misy mpangala-jaza, ka raikitra avy hatrany ny fitsaram-bahoaka. Ny ankilany ihany koa moa mety nentin-katezerana sy ny fo ranomana, ka nanao izay saim-patany, dia ireny ny niafarana. Ohatra iray ihany iny, fa ny zava-drehetra mihitsy no hahatarafana fa toa tsy manam-potoana hisianina sy hamakafakana lalina intsony ny Malagasy. Mety tsy manana fari-pahatakarana afaka handinika ny zavatra mety sy ny tsy mety, ny marina sy ny diso, ny lainga sy ny fitaka,… ihany koa. Raikitra ny fanondroana sy ny fanosoram-potaka ny filoha iray teo aloha tamin’ny fotoan’androny ho mpangoron-karena, mpanao ampihimamba, mpanao didy jadona, tsy mahay mitantana firenena,… dia nisy tokoa ny roboka nanaiky natao fitaovana politika nanongana, nandroba, nandoro, nandrava,… Fa moa ve nivadika nandroso ilay Madagasikara tao anatin’ny fisondrotan’ny harin-karena faobe 7,1% taorian’izay? Moa tena nisy orinasa Malagasy nahasolo ilay nodorana sy nopotehina fa tsy ny karana sy ny sinoa nahazo laka sy mifehy ny toekarena? Any amin’ny miiba -6,1% ny toekarentsika ankehitriny. Tsy resaka tsangan’olona no hitondrana fampitahana sy fampisaintsainana eto, fa ny tiana hahatongavana, dia mila mahay mandanjalanja ny fanapahan-kevitra raisiny ny Malagasy. Nandeha ireny ny fifidianana tany amin’ny 3 taona lasa, dia ny rehetra no afaka maka lesona hoe: firy tamin’ireny no tanteraka? Moa efa mampindram-bola an’I Kaomoro isika ankehitriny? Moa efa avo telo heny noho ny tamin’izany ny vidin’ny lavanila? Moa efa nitsangana ny orinasa mpanamboatra simenitra? Tsy fitia hitanisa sy hitsikera, fa mila mahay maka lesona sy mandinika hoe: ny programan’iza no tena mifandraika amin’ny Malagasy? Tena azo tanterahina sy mitombina ve sa balala rora sy fampiesonana ny 99% amin’ny zavatra ambaran’ilay politisianina iray. Ho avy indray ny propagandy, ary efa misy mangalatra “depart” ankehitriny, ka izao dia efa mila mahay mamakafaka. Mila mianatra tsikelikely miala amin’ny fihinanana am-bolony, mba tsy hitondra any amin’ny fanapahan-kevitra vidiana lafo isika. Tsy amin’ny politika ihany io, fa tena amin’ny lafi-piainana rehetra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT