Mihidy!

Mihidy avokoa amin’izao fotoana izao na ny famatsiam-bola anatiny


  • Zoma 14 Febroary 2025

na ivelan’i Madagasikara, hoy ny fanazavàn-drizareo Rodoben’ny mpanohitra izay.

Hita ho mihidy koa anefa, etsy ankilan’izay, ny finiavan’ny fitondràna mijoro ankehitriny eto amin’ny firenena ireo fomba fijery hafa mitsikera ny tsy mety ataony sy tsy manasoaso azy. Ireny niaraha-nandre vao tsy ela ireny ny fanamafisan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fampandrosoana an’ity Madagasikara lazain’ny firenen-kafa fa mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity. Miteniteny foana daholo ve izany ny FMI sy ny banky iraisampirenena, eny, izao tontolo izao mihitsy? Misy mifofo indray moa, hoy ny nambarany, ny ain’ny filoham-pirenena satria manana vina hampandrosoana ity firenena ity izy. Aiza ihany ary izany vina izany no mbola tsy hita manangasanga hatramin’izao ny vokany tao anatin’izay 6 taona izay, eny, 16 taona izay? Aiza ho aiza ilay «Plan Marshall»? Toy izany koa ny IEM, ny PEM, ny PGE, ny Velirano sy ny hafa rehetra voatanisan’izao filoham-pirenena izao sy ny fitondràny hatramin’izay? Mihidy ny tatitra. Mihidy ny fangaraharaham-pitantanana rehetra mikasika izany. Mihidy ny varavarana ahafahana manolotra na dia sosokevitra avy amin’ireo herivelona samihafa hampandrosoana ity firenena ity aza. Mihidy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT