Edito

Mihevitra ny vahoaka ho bado


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Vao tany amin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 no nisy ny adihevitra maro momba ny fampiasana volabe tsy toko tsy forohana nataon’ny Filoha ankehitriny.

 

 

 Rehefa lany soa aman-tsara dia naneho ny tenany, fa tsy handray karama fa homeny ny faritra ny karamany. Raha tena nitombina ny volabe izay hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena aza niresaka, nirarakopana ny fizaran-javatra mba hisafidianana azy, dia lojika ve ny fakana ny fahefana tamin’ny fomba rehetra raha tsy misy tombotsoa mihoampampana ambony noho ny vola natontona? Ireny niaraha-nahita ireny ny fahavakisan’ny raharaha “doublon” tamin’ny fifidianana, izay lasa raharaha nafana ny fiandohan’ny taona teo, saingy takona rehefa tafiditra teto ny coronavirus. Vaky am-batolampy ny karazana dosiem-panjakana na aferaferan’ny mpitondra. Mandeha ny fanadiovan-tena sy famonoana afo, toa fanazavana tsy mitombina izany indraindray, fa dia bontolo fotsiny. Asa izay fandraisan’ny mpitondra sasany ny atao hoe vahoaka Malagasy, fa dia tena heverina ho “bado” sy “badraodra” mihitsy angamba. Mba misy ihany ny fanazavana mba azo inoana, fa misy dia terena fotsiny izao hoe: tsy maintsy ekena. Mangina ny vahoaka, mihaino, ary mahatsapa angamba fa tsy afa-manoatra. Ny hamehana ihany koa moa toa natao hanapenam-bava sy hifehezana ny fahalalahana. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, ary tsy maharo io fahefana io, rehefa feno ny kapoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT