Edito

Mihevi-tena ho mahavita azy


  • Talata 07 Jolay 2015

Ho avy ihany ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana kaominaly kanefa mbola misamboaravoara ny tontolo politika. Mampanontany tena ny hiatrehana fifidianana ao anatin’ny savorovoro tahaka izao

 . Resahana fa atao ny fifanarahana, kanefa toa mifampihantsy ihany ny samy mpanao politika. Ny mpitondra fanjakana mihitsy aza no toa vao miha mandrehitra afo ao anatin’izany rehetra izany. Tsy hita taratra aloha hatreto ny maha mpampihavana ny fitondrana misy, fa ny fanaovana didin’ny be sandry aza no azo hanasokajiana azy kokoa. Mampiteny ny moana ny fanaparam-pahefana ataon’ireo olona avy ao amin’ny antokon’ny fitondrana any amin’ny faritra maro manerana ny nosy, toa miverina indray ny fampiasana ny fahefam-panjakana mba hampisongadinana antoko iray. Eo ihany koa ny fizahozahoana ataon’ireo minsitra HVM sasantsasany, izay efa tena mankaleo ny olona, fa na imasom-bahoaka aza izy ireo dia efa tsy mahafehy tena intsony. Raha mba misy ny sahy mijoro, miteny ny tsy mety dia ambara fa manakorontana saim-bahoaka na manohintohina ny filaminana anatiny. Mandeha ny antsojay amin’ny endriny maro samihafa haminganana ny mpifanandrina amin’ny tena. Hatreto dia mihevitra ny fitondrana HVM fa mahavita azy ka tsy mila ny fanampiana na fanohanana na ny torohevitry ny hafa. Ho hita eo ny tohiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT