Edito

Mihenjana ny tady


  • Zoma 15 Aprily 2022

Miantso fikaonan-doha ny mpanohitra. Tsy misy mandeha irery intsony izany manomboka eto ka hoe izahay vondrona Panorama na vovonana RMDM na antoko politika Otrikafo na FLN sy izay tsy voatonona hafa rehetra fa dia hoe

 andao hivondrona! Andao hijery miaraka aingana ny tokony hanavotana ity firenena ity! Aleo aza tsy asiana fanilihana mihitsy fa dia manasa anareo mpitondra koa mba hiaraka hijery ny tokony hatao manoloana izao loza mitatao amin’ny firenena izao. Indrisy anefa fa dia tamin’ny fomba hafakely mampiharihary ny tsy fahavononan’ny fitondrana hihaino ny hafa sahady no setrin’izany fanasana izany. Efa miomana amin’ny korontana, hono, ny fitondrana. Toa nifanandrify tamin’izay koa moa avy eo ny valintenin’ny solontenan’ny mpanohitra iray hoe ho avy tokoa izany raha tadiavinareo saingy… tena izany tokoa ve izao no ilaina aloha sa ilay voalaza teo hoe fiaraha-mikaon-doha? Mihenjana ny tady hatreto fa dia asa aloha!
J. Mirija 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT