Mihenjan-droa ny tady saingy fihenjanana hafa kely tsy toy ireo izay nisy hatramin’izay no misy eo amin’ny fitondrana Malagasy sy ireo any ivelan’ny fitondrana.
Ny mpanohitra moa izany iny efa mazava ny takiany. Fialan’ireo mpitondra eo amin’ny toerany avy ao anatin’ny fotoana fohy indrindra satria hitan’izy ireo fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaham-pirenena. Etsy ankilany kosa dia sokajin’olona maro ivelan’ireo sehatra roa ireo no miantsoantso ny amin’ny mba tena hifantohana araka ny tokony izy ny ady amin’ity olana ara-pahasalamana manempotra ny sehatra rehetra ity. Eo ny miantso fifanatonana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Eo ireo miantso ny fampitsaharana ny adilahy politika. Eo ireo miantso fisorohana fisaraham-bazana ateraky ny mety ho fanorenana tsy maharesy lahatra fa hitondra voka-tsoa ho an’ny vahoaka akory. Ny fitondram-panjakana kosa ao anatin’izany rehetra izany dia hiaraha-mahita fa toa ny tiany atao ihany no ataony. Na dia maro aza ireo sosokevitra isan-karazany miainga avy ety amin’ny vahoaka sy ny mpanara-baovao dia toy ny efa misy drafitra tsy tiany ialana izany na inona na inona hitranga eo. Na hiteny faha zato faha arivo aza ny vahoaka izay tena hianjadian’ilay zava-misy hoe ndrao dia tsy mbola fotoana tokony hirosoana amin’ny famahana miandalana ny fepetra izao dia toy ny rano mangatsiaka atondraka an-damosin’ny gana izany. Ny demokrasia rahateo moa, hono, hoy ny olona sasany izay, dia amin’ny alalan’ny latsa-bato ihany no hahafahan’ny vahoaka maneho ny heviny. Asa aloha na oniversite taiza no nampianatra ilay olona mampiely izay fiheverana hafa momban’ny demokrasia izay far aha mijery ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny tokoa aloha dia toy ny te hanamarina izay lalan-tsaina izay ny fahitana azy. Taiza anefa moa no nisy firenena nahavanona fampandrosoana kanefa tsy nampanjaka fampihavanana na fifampihainoana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.