Sahotaka atsy, savorovoro aroa. Izay no kisary mandrafitra ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena izao. Tsy mbola nisy toy izao hatramin’ny niainana, hoy ny fitenenena. Midina an-dalambe ny tompom-bola mpikambana amin’ny ACOA ao Toamasina. Hafa koa ny olany. Mitokona manoloana ny Kaominina ny mpiasa any Toliara. Manana ny problemany koa izy ireo. Nisantatra ny fitetezam-paritra tao Boeny ny ankolafy telo, notarihin’ny profesora Zafy Albert sy Fetison Rakoto Andrianirina omaly. Hampahafantatra sy hanazava ny vaovao marina mitranga eto amin’ny firenena amin’ny mponina any an-toerana izy ireo. Zavatra iray loha koa io. Hanao fampisehoan-kery eo amin’ny kianjan’ny demokrasia ny mpomba ny Ben’ny tanàna ao Manakara amin’ny sabotsy. Raharaha hafa koa izay.
Mandrahona higrevy koa ny mpitatitra vary any Alaotra, noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sy ny haratsin’ny lalana. Resaka hafa indray koa ny amin’iny. Manao fanamiana miaramila ireo dahalo mpandroba any Amoron’i Mania any. Nalaza tamin’ity fitondrana FAT ity ny toe-javatra toy izany. Manao hazalambo ny mpanohitra azy ny FAT, mba tsy hanelingelina ny fety mahaseriny azy. Etsy ankilany, mampiaka-peo ny eny an-kianja fa na inon-kidona na inon-kihatra, tsy maintsy hidina an-dalambe ny ankolafy telo, raha ny filazan’ny pasitera Edouard tao Behoririka omaly. Mihenjan-droa tanteraka ny tady ankehitriny. Ao anatin’izay raho-mainty izany no ahatongavan’ny lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, Joaquim Chissano eto Madagasikara. Inona no hambarany ? hanirina sa vao maika hampivandravandra ? Nanao tampody fohy ny tany Mahajanga fa ho avy i Chissano, satria aim-pirenena izy ity. Malagasy 20 tapitrisa no havotana ! Ary ny tan-dapa ? Hilaza fa, avelao izahay aloha hanao fety ? Dia hifandrirotra lava eto, sa hifampihaino ka hampitovy tadin-dokanga amin’izay !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.