Edito

Mihemotra ny mihemotra


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Fomba fiteny taty aoriana taty ny hoe mandeha ny mandeha rehefa misy hetsika na tranga misoko moramora izay any ambadimbadika.

Mety resaka fety io. Mety resaka asa mandroso. Mety resaka tsy mazavazava toy ny trafika isan-karazany koa anefa na fihoaram-pefy ataona mpitondra nezahana notakonana dia ireny nisy nanao ampamoaka ireny ihany ny dosie taty aoriana. Manoloana izany rehetra izany, ny tena zava-misy anefa dia iarahantsika mahalala fa mihemotra koa ny mihemotra. Mikatso ny mikatso. Mitotongana ny mitotongana. Mirodana ny mirodana. Ny herinaratra zara raha azo, ny rano gotigoty, ny baolina tsy hita, ny sakafo miha tsy voavidy. Hatramin’ireo mpanao hatsikana tokony hampihomehy vahoaka aza tsy fahafaliana toy izany no lasa asehony manoloana ilay zava-misy. Iza moa no tsy miaiky fa efa tafahoatra ny tsy fahatomombanana izao ampihainana ny vahoaka manontolo izao? Mety ny 15%-ntsika no manana olana amin’ny JIRAMA fa raha ny tati-baovao voaray avy amin’ireo loharano heverina ho ofisialy koa izao dia tsikaritra ho maneho hatrany ny tsy fahatomombanam-pitantanana eto amin’ity firenena ity. Mbola mitohy ny tsy fandriampahalemana any ambany ravinkazo rehetra any, indrindra, tany lavitra andriana. Ny depiote sasany mba nitaraina hoe misy vahoaka mbola tsy nahita tara na “goudron” sy herinaratra hatramin’izay niainany any aminy any dia mbola izay ihany izany hatramin’izao no toe-draharaha misy ao amin’ilay toerana. Im-piry izany izao izay no nisy atleta na mpanao fanatanjahantena mba anarany nahazo tapakila hiarovana ny voninahim-pirenena any amin’ireo fifaninanana iraisampirenena nefa dia hoe tsy lasa satria hoe tsy manana tetibola ny fanjakana na fara faha tsarany dia mitaintaina faran’izay mitaintaina vao lasa ny andron’ilay fifaninanana iny mihitsy? Ny sasany tonga any an-toerana, tsy misy mpanohana, tsy misy mpikarakara. Mikatso ny mikatso. Mitotongana ny mitotongana. Mirodana ny mirodana. Mihemotra ny mihemotra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT