Edito

Mihemotra indray !


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Hifarana amin’ity anio ity ny volana aogositra. Midika izany fa dila amin’ity alarobia ity koa ny fe-potoana nomen’ny FAT ny sehatra iraisam-pirenena mba hamoaka daty mazava hanasoniavana ilay sori-dalana norafetin’ny SADC

Raha ny fahafantarana azy sy ny fahitana ny zava-misy anefa dia tsy mbola hamoaka io daty io aloha ny mpanelanelana. Marobe mantsy ny zavatra tsy maintsy alamina tsara, anisan’izany ny momba ireo filoha teo aloha dia Atoa isany Ratsiraka sy Ravalomanana, izay samy tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny krizy na ahoana na ahoana filazan’ny eo amin’ny fitondrana. Sarotra anefa ny fandaminana ka mety ho noho izay no mampitarazoka ny famoahana ilay daty. Tsy takona afenina ihany koa aloha ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo samy diplaomaty ao amin’ny SADC noho ny fisian’ny teny midina avy any ambadimbadika any angamba, hoy ny maro. Tsy vahiny amin’ny zava-misy eto amintsika ireo firenena matanjaka tahaka an’i Etazonia, Frantsa, Alemaina, Afrika Atsimo.

Efa nanomboka tamin’ny nandrodanana ny fitondrana teo aloha izany ka mandrak’ankehitriny. Tsy mahagaga raha mihisatra ny raharaha satria samy manana ny tanjony ny ngeza, ny mpanao politika malagasy rahateo mora ambakaina sy fitahana ary tambatambazana dia izao no vokany. Koa tonga ary ity ilay faran’ny “ultimatum” ka hanakory ny fihetsiky ny FAT ? Hanorana sa hanavandra ? Nibaribary mantsy tamin’ny tsy fahatongavan’izy ireo nanatrika ny dinika nokarakarain’ny Raiamandreny Mjoro fa mbola miandry zavatra ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy manaraka be fahatany ny zava-misy fa manara-penitra amin’ny zavatra ataony ary tsy mahalala afa-tsy sori-dalana nahitsy ka nekena tany Sandton. Tsy tokony hisy intsony, araka izany, ny hoe dinika hiadian-kevitra hamahana ny krizy indray nambola handrafetana sori-dalana vaovao. Ny fampiharana ny efa misy izao no tokony hojerena fa tsy zavatra hafa intsony.

Raha misy izany ny dinika vaovao karakarain’ny Malagasy dia fampitoviana ny tadin-dokanga amin’ny fomba hampiharana ilay sori-dalana sy hampivaha ny krizy no atao fa tsy hamerina indray ny zavatra rehetra noresahana efa ho roa taona izao. Raha izay mantsy no atao dia mety mbola hiandry taona iray na roa indray ihany vao hiditra amin’ny resaka fifidianana dia hihamafy ihany ny fahorian’ny Malagasy e ! Ny firenena ihany koa moa amin’izao fotona dia nidonam-pahoriana ka tahaka ny tsy mety ihany raha amin’ity herinandro ity ny FAT no hamoaka fanapahan-kevitra hafahafa tahaka ny fanaony hatramin’izay ? Ny Malagasy rahateo tsy miady amam-paty ka mety ho amin’ny herinandro ambony izany raha ny tokony ho izy vao hafampana indray ny tontolo politika. Midika izany fa mihemotra ary mihemotra ihany ny datim-pifidianana satria raha ny ritsoka re dia tokony ho tamin’ity herinandro ity no namoaka io daty io ny FAT saingy … ny fotoam-bita moa tsy mahaleo ny sampona. Toa mitombina ihany koa ny fanamarihan’ireo tena maharaka tsara ny tontoo politika fa tsy maintsy misy zava-mitranga foana mialoha ny hisian’ny fanapahan-kevitra goavana eto amin’ny firenena. Fifandrifian-javatra ve izany sa ahoana ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT