Edito

Mihemotra


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Hitodi-doha any Toamasina indray anio ny filoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’ireo fitsidiham-paritra maro fanaony izy ity, dia ho avy indray ny kabary sy ny fampanantenana fa tsy misy avy eo ny fanatanterahana

 


. Nofy ratsy ho an’izao fitondran’ny HVM izao ny delestazy noho ilay teny tsy voahevitra nataon’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary 2014 fa ho foana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy. Fihetsiketsehana be tsy nisy ohatr’izany ny fanadiovana natao teny La Réunion kely Ampefiloha sy Andrefan’i Mananjary, tao anatin’ilay tetikasa manokan’ny filoham-pirenena. Miverina maloto tanteraka ireo toerana ireo ankehitriny. Tsy nisy fitohizany tsinona ilay fanadiovana fa hay ka seho ivelany fotsiny. Taorian’ny nandalovan’ingahy filoha tany Fianarantsoa nitokana ny kianjan’Ampasambazaha fa hoe vita ary lasa manarapenitra, dia nosorohana ilay bozaka sentetika, hay tsy mbola vita tsara akory ny asa. Ny any anaty minisitera rehetra any mialokaloka ao ambanin’ilay 100 andro fa ny asa mivaingana sy misy akony amin’ny fiainam-bahoaka tsy misy fa tsy misy vola, hono. Ny asan-dahalo moa dia io iaraha-mahita io fa tena tsy voafehin’ny fanjakana mihitsy, asa hoe miaramila sy zandary firy no ho faty izay vao ho tapa-kevitra hanao hetsika goavana anenjehana ny dahalo ? Mihemotra ny eto fa tsy mandroso e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT