Edito

Mihazakazaka mihemotra


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Efa mandeha ny firenena, efa misy ny fotodrafitrasa tokanana, efa mizarazara zavatra,…

 

 ka milamina ho azy ny politika avy eo satria eo am-pelantanana ny hery sy ny fahefana. Izay no toa sary tian’ny mpitondra ankehitriny aseho. Tsaroana ilay voambolana « Plan Marshall », izay ny serasera nanaka-danitra fa ny vokatra ara-toekarena sy ara-tsosialy tsy hita taratra. Samy nanao ny nataony, samy nanangan-javatra, samy nanana ny tetikasany ireo Filoha nifanesy, fa ny serasera no mety tsy nitovy. Zary fomba firesaka sy nakana ny fom-bahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra ny hanao izay tsy vitan’ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona ato anatin’ny 5 taona. Toy ny hoe tsangan’olona sy tena tsy nanao na inona na inona ny teo aloha, fa ireo eo amin’ny fahefana ankehitriny no Mesia tena hanavotra an’i Madagasikara. Ny tsy azo lavina, dia azo lazaina ho nandeha kokoa ny fiainam-bahoaka tamin’ireo fanjakana anankiroa narodana sy nozongozin’ireo nahazo fahefana ankehitriny, ary raha ny naoty ara-toekarena sy ara-tsosialy teto Madagasikara hatramin’izay, dia tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany fitotonganan’ny toekarena miiba 1,2% izany raha tsy aty amin’ny taona 2020. Ho an’ireo teo aloha dia niabo 7,1% ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana ary 5,2% ny taona 2018 nisian’ny miala Rajao sy ny filanjana vatam-paty. Mihazakazaka mihemotra isika hatreto. Mpandresy tamin’ny herisetra hatreto sy fakana fahefana hatreto, fa mbola resy amin’ny vokatra sy ny asa. Tsy vitan’ny kabary politika sy fampanantenana na serasera manaka-danitra ny fitantanana firenena, ka izay no ampahatsiahivana hatrany fa mikorosy fahana ny fianam-bahoaka, tsy arakaraka ny kisehoseho mandeha. Mila manetsika ny hambom-po hisongonana ny vitan’ny teo aloha, fa tsy lany andro mamboly sakoroka lava eto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT