Edito

Miharihary an-kalamanjana


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Depiote nisikotra oron’olona, governora voalaza ho nisafo tovovavy misionera vahiny, efa nisy ilay ben’ny tanana

nifanao iray sy iray tanatina toeram-pisotroana ihany koa, resaka minisitra niaraka tamina artista sy ny maro hafa, raha tsy hiresaka afa-tsy ny santionany amin’ireo atao hoe zava-mamoha henatra na «scandale» niseho tato anatin’izao fitondrana izao nandritry ny 4 taona mahery isika. Ankoatran’izay resaka «scandale» izay moa dia efa ela no nalaza fa misy ady mangatsiaka na otrikady na koa hoe ady an-trano mihitsy ao an-dapa ao amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afa-tsy ny mikasika ireo depiote voafidy tamin’ny antokon’ny filoham-pirenena sy ireo minisitra lazain’izy ireo fa manao fihavin’ny tafara sy tsy mendrika ny toerany akory. Izay ny ao anaty rafitra fa mampametra-panontaniana koa ny hoe fa maninona tokoa moa no samy milaza azy ho mpanohana ny filoham-pirenena izao ihany, samy manao loko volomboasary, kanefa dia misampantsampana amin’ity fikambanana sy vovonana samihafa maro ity? Misy an’izany IFI ka misy izany IRMAR, IRD, IRK, MAPAR sy ny ambiny rehetra. Eo amin’ny hoe antoko manohana koa dia ireny hita miharihary an-kalamanjana ireny mihitsy farany teo fa tena misy tokoa ilay otrikady ary ireny nipoaka ireny rehefa tsy ao intsony ny fahafehezana azy. Raha ny samy ao anaty antoko politika atao hoe miara-miombon’antoka sy miara-mitantana ny firenena aza izany tsy mahafe fihetseham-po sy tsy mahafehy hatreo amin’ny resaka raharaham-pikambanana sy antoko, moa ve azo antenaina hahafehy raharaham-pirenena sy hahavaha olam-bahoaka ihany na dia omem-pahefana mandra-piafaran’ny tany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT