Edito

Miharatsy ny tantara


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Ny teo aloha tsy mety hangarahara, ny aty aoriana mampitombo ny endrika efa ratsy ananan’ny firenena.

Na inona na inona laza ratsy efa nananan’ilay vahiny nisy namono teny Tsaralalana  dia mitoetra foana ao anatin’ny tantaram-pirenena fa masoivoho vahiny niasa teto amintsika teo aloha iny. Na nalaza ho atidoha nikotrika fakana an-keriny maro hatrany amin’ny taona 2010 izy na efa nisy fotoana nidina teny Antanimora dia tsy maintsy hataon’ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitsarana, indrindra fa ny firenena niavian’iny olona iny dia azo antoka fa miha manjaka andro aman’alina ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Efa nisy teratany vahiny hafa maromaro, raha tsiahivina, no maty nisy namono teto, toy ny tany Nosy be. Saika isan’andro no manjaka ny asan-dahalo any amin’ireo faritra be omby ary miampy asan-jiolahy koa amin’izao fotoana. Tsy misy firenena afaka mandroso tsy ao anaty fandriampahalemana anefa. Averin’ireo mpitondra matetika izany. Efa tsy haintsika ny mitantana ny harentsika. Dia inona sisa izany no  antenaina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT