Efa tena maro ankehitriny ny olona leon’ny fitarazohan’ny krizy sy ny fomba fitantanan’ny FAT amin’ny ankapobeny ny firenena.
Mieritreritra izy ireo fa mila vahana amin’izay taorian’ny toromariky ny SADC tany Sandton teo ny olana eto amin’ny firenena ary hifamela sy hifampihavana ny mpanao politika, satria avy amin’izy ireo no nahatonga ny savorovoro ka tokony ho izy ireo no handamina izany. Mbola mandrangaranga fanaparam-pahefana sy fandrahonana ireo tsy mitovy hevitra aminy ihany anefa ny FAT ary manohy ny tsy fahamatorany amin’ny fanaovana politika. Tsy hisy mihitsy ny fiverenan’ny fanohanana sy fanampiana avy any ivelany raha mbola manao ny politikan’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, ary mazava ny nambaran’ny SADC fa mila mody an-kalalahana eto an-tanindrazana ireo mpanao politika rehetra mialokaloka any ivelany ary rehefa tonga eto izy ireo dia mahazo mandray anjara mavitrika amin’ny fanaovana politika sy ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fiainam-pirenena, izany hoe ny fanehoan-kevitra, ny fananganana antoko na fikambanana, ny filatsahana amin’izay fifidianana mety hitranga rehetra eo.
Tsy vao izao fa efa hatry ny ela i Andry Rajoelina no nanambara mazava tamin’ny fomba ofisialy fa tsy mbola tokony hiverina eto Madagasikara aloha ny filoha teo aloha fa tsy maintsy miandry ny fitonian’ny raharaha politika sy ny firenena amin’ny ankapobeny ary ao anatin’ny governemanta vaovao amin’ny Repoblika faha-IV no handinihana izany fiverenany izany. Tena sarotra ny raharaha ho an’ny FAT ary mila fitandremana amin’ny zavatra, aloaky ny vavany manomboka izao i Andry Rajoelina satria raha manenjana ny tady amin’izao izy ireo dia mety hihenjana tahaka izany ihany koa ny sazy sy famaizana avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy hisy mihitsy mantsy fikambanana iraisam-pirenena hamoaka hevitra ka hifanipaka tamin’ny nambaran’ny SADC sy ny Parlemanta eoropeanina farany teo.
Efa roa taona izay no nanambara fa fanonganam-panjakana no nisy teto koa ilaina ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, ary tsy ankolafy tokana sy ireo mpila ranondranony aminy no manao izany fa ny ankolafy politika rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Dia sanatria ve tsy tonga saina ihany ny FAT fa tsy mety ny ataon’izy ireo ary mampidi-kizo isan’andro an’i Madagasikara sy ny vahoakany ! Efa mba nihodinkodina tetsy sy teroa nitety firenena ihany nandresy lahatra ny teknisianina, manampahaizana, manamboninahitra ary mpanao politika manohana an’i Andry Rajoelina fa tsy nampiova ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena izany. Koa dia mbola ho sahy hihantsy ady ihany ve ny FAT ka hilaza fa mahavita azy ary hanao izay rehetra azo atao hanakanana ny fiverenan’Atoa Ravalomanana eto ? Dia sanatria ve tena ho tanteraka ilay tenin’ny praiminisitry ny FAT Camille Vital manao hoe : «aleo ho avy eto ny tafiky ny SADC fa hanaovantsika fanazarantena …». Hita ho toa mikorisa mankany amin’izany mantsy ny fanehoan-kevitra sy fanambaran’ireo rehetra manohana ny FAT tato anatin’ny roa andro izao, satria amin’izy ireo dia tsy mety ary tsy azo ekena ny fanambaran’ny SADC ary tsy tafiditra eto izany Atoa Marc Ravalomanana na dia hiantohan’ny sehatra iraisam-pirenena aza ny fiarovana azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.