Mihaino sy mandinika!

Ny vy tsy mikitrana irery,


  • Alarobia 04 Martsa 2026

hoy ny fandinihan'ny teo aloha na Ntaolo.

Tsy misy izay tsy mahalala izao tontolo izao ankehitriny fa nipoaka ny ady eo amin'ny amerikanina miaraka amin'ny israelianina amin'ny iranianina ankehitriny. Efa nazavaina teto foana moa ny hoe matoa tonga amin'ny herisetra ny fiarahamonina iray, eto izany izao fiarahamonin'ny amerikanina sy israelianina miaraka amin'ny iranianina no resaka, dia satria izay no antsoina hoe krizy mipoaka na "conflit déclaré". Nisy tsy fifampihainoana ao izany na nisy mody nihaino na koa nihaino ihany fa tsy nandinika ny hoe inona no antony? Inona, ohatra, no antony nampiziriziry ny iranianina hanao ny nataony ary inona ihany koa no nampiziriziry ny amerikanina sy israelianina? Nifampiziriziry izany ny telo tonta. Raha fintinina amin'ny fomba filaza an-davan'andro dia hoe tsy mba naka fotoana nipetraka teo amin'ny toeran'ny andaniny ny ankilany ary ny ankilany koa tsy nanao toy izay tamin'ny andaniny. Tsy nifampi-"comprendre", hoy ny vary amin'anana mahazatra amin'izao fotoana izao. Tranga efa niaraha-nahita nampidi-doza hatrany koa izany teto amin'ny firenena hatramin'ny taona 1972. Fotoana izany izao hisorohana ny tsy hiverenan'ireny intsony na iny tamin'ny 1972 iny na ny 1991 na ny 2002, 2009, 2018, 2025. Inona amin'izay ireo fanavaozana, indrindra, fanovana tokony atao? Na tokantrano io na orinasa na fokontany na kaominina mankany mankany dia heverina fa tokony handinika izany rehetra izany avokoa. Manimba fiarahamonina ny tsy fihainoana ny hafa mihitsy saingy tsy ampy ny mihaino fotsiny, araka izany, fa mila mandinika ihany koa! Mila mihaino sy mandinika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT