Edito

Mihaingo ambony tsikoko !


  • Talata 24 Desambra 2019

Miha mitombo andro aman’alina ireo mahantra fadiranovana tsy manan-kialofana amin’ny alina eny ambanin’ireo tonelina eto Antananarivo.

 

 

Amin’ny fotoana akaiky fety tahaka izao, dia misy ihany ireo fikambanana miezaka mizara fanomezana, toy ny sakafo, ka anisan’ny nahitana izany teny amin’ny tonelina Ambohidahy ny zoma 20 desambra teo. Zava-dehibe ireny ary hisaorana ireo manao, saingy mandalo ihany. Mila vahaolana maharitra izay ny mpitondra no tena afaka mijery. Tsaroana ny fananganana trano kaontenera vitsivitsy ho an’ireo sahirana teny La Réunion kely ny volana febroary tamin’ity taona ity, izay ny serasera no natao betsaka. 500 metatra eo raha be indrindra miala an’Ambohitsorohitra ny tonelina Ambohidahy. Antaninarenina sy Ambohitsorohitra anefa lasa toerana mamirapiratra, niangaliana mba hoentina hisintona ny mason’ny olona, ary ny filoham-pirenena mihitsy no nisantatra ny fety lehibe teo. Ny tanàna voaravaka jiro sy haingo mamirapiratra. Tsara ny famalifalifana fa sao dia mba mihaingo ambony tsikoko isika ? Sao dia mba misy vahaolana ihany ho an’ireo olona marefo amin’ny alalan’ny famoronan’asa ?  Tsy ireo ihany no manana olana eto amin’ny firenena fa ny maro an’isa mihitsy no sahirana, saingy ny tokantrano tsy ahahaka. Any amin’ny laharam-pahamehana no mila saintsainin’ny mpitondra tsara mba ho dia tena fandrosoana hifanahaka amin’ny filan’ny Malagasy maro an’isa fa tsy sanatria ho rendrarendra. Mba mila saintsainina ihany!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT