Edito

Mihaingo ambony tsikoko


  • Talata 07 Desambra 2010


Roso ny dian’ny FAT ka tsa mipody intsony, ho avy ny fety sy ny totorebika manerana ny nosy fa tafatsangana ny Repoblika faha-4. Na dia teo aza anefa ny vokatra ofisialy nambaran’ny HCC omaly izay tsy niova fa nitovy tamin’ny nambaran’ny CENI dia maro ihany no mbola miahiahy ny amin’ny mety ho tohin’ny tantara satria tsy mbola tony ny fiainana eny anivon’ny fiarahamonina eny, ary tsikaritra ho toa misy afo mololo mirehitra tsimoramora ary ho zava-doza raha misy mikopaka na sendra vavarivotra tampoka.

Raha alaina ambony alaina ambany ny zava-misy amin’izao fotoana dia azo ambara mihitsy fa mihaingo ambony tsikoko ny fitondrana tetezamita. Atao daholo izao fihetsiketsehana ety ivelany rehetra izao, saingy hita fa tsy tena misy akony tsara amin’ny famahana ny krizy izany, mbola maro be ireo mitana am-po ny zava-nitranga teto tamin’ny 2009, nisy tsinona ny very fananana, nitondra takaitra, namoy ny havana aman-tsakaiza, teo ihany koa ireo very seza. Tsy mbola hita anefa hatramin’izao ny tena fampihavanana sy fifamelana teo amin’ireo hery politika nifanandrina teto, ary ny manahirana aza dia mitady hitatra eny amin’ny Fokontany eny ny fifampiandaniana sy ny fifandrafesana, noho ny loko politika tsy mitovy. Tsy te hahalala izany rehetra izany anefa i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy fa dia manohy hatrany ny diany, dia ho avy, hono, ny fety be miaraka amin’ireo artista fanta-daza amin’ny faran’ny herinandro io, satria sady teraka ny Repoblika faha-4 no hotokanana ny Lapan’ny tanàna vaovao eny Analakely.

Raikitra fa dia hisy afomanga sy “bal populaire” mihitsy, hono, amin’io dia ho avy koa ny fanambarana miezinezina hotanterahan’ny filohan’ny FAT. Azo antoka koa fa hirenty manerana ny tanàna ny afisy maro loko, ary ho avy indray ny fizarana fanomezana tahaka ny T Shirt sy ny kaskety ary ny saina kely. Tena tompony fa tsy mpindrana ity fitondrana tetezamita ity raha fihetsiketsehana sy fanaovana fety no resahana, tsy mahagaga moa izany satria mpikarakara fety aman-danonana no sady mpampandihy fahiny i Andry Rajoelina, ary na ny antokony aza dia nampisalorany ny solon’anarana nentina tamin’izany fotoana. Tsy vitsy amin’ireo mpiara-mifety aminy taloha ihany koa no ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana ka mety tsara ny tantana. Tena fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny anefa izany rehetra izany satria tsy misy mivaha ny olana, sy mbola miverina ny famatsiam-bola avy any ivelany, ary misy mihitsy aza ny masoivoho vahiny mety hikatona ato ho ato, miha lafo ny vidin’entana eny an-tsena, tsy hahavita hamelona ny Malagasy 20 tapitrisa mihitsy anefa ny Tsena Mora. Ny grevy etsy sy eroa tsy mety ahitam-bahaolana matotra fa fampitahorana indray no asetry ny fitakian’ireo sendika. Mihaingo ambony tsikoko ny FAT ary mitsambiki-mikipy fa tsy manana vina mazava mihitsy ho amin’ny ho avy, fa dia ny anio ihany aloha, ho hita eo ny rahampitso !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT