Edito

Mihaingo ambonin’ny tsikoko


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Lamaody indray izany aloha ny fanorenana ifotony. Izay no teny entina hikaotiana ny sarambabem-bahoaka amin’izao herintaona sy roa volana tsy ahatongavan’ny 2018 izao.

Efa nipetraka foana ary dia mbola averina apetraka hatrany ny fanontaniana hoe “fanorenana ifotony inona?”. Ny fokonolon-dRatsimandrava ve no averina sa ny an’ny Ombalahibemaso? Ireo ihany mantsy izao no azo antoka sy voaporofon’ny tantara hatreto fa tena nahatsapan’ny vahoaka tsy mandady harona fa tena nandray anjara tamin’ny fampandrosoam-pirenena izy ary nahazo tombotsoa. Ny ankoatra izay dia mbola hita ho resabe hatreto ary azo heverina ho haingo ambony tsikoko ihany satria dia ilay teny hoe “ifotony” fotsiny no re maneno sy mirentirenty fa raha ny fihetsik’ireo mpanao politika mivoy azy io dia toa ..tsy misy fotony. Nilaza ny hiafara amin’ny fanonganana ny sasany kanefa dia nandamindamina indray tato aoriana. Handrodana mba hanorina ve sa hifampidinika iaraha-manangana, sa be resaka mba hhazo seza ? Ny zava-misy iaraha-mahalala aloha dia hita ho mitombona tokoa ny filazana fa misafotofoto ny raharaham-pirenena. Ny loza anefa dia isika samy isika ihany no hiharam-pahavoazana eto.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT