Edito

Mihafy hatrany e!


  • Alarobia 06 Mey 2020

Miezaka mamoha sy mandona ny hambo-po Malagasy ny Filoha eo natrehan’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus.

 

 

 

Te hampiseho sy mametraka fa tena manana ny maha izy azy isika, afaka manova ny tantara, afaka mamadika pejy,… eny mety eo am-pelantanantsika aza ny ain’izao tontolo izao. Tsara izany, mahafinaritra, saingy sao dia ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa rainilahy be? Malaza ny baolina kitra dia andao isika hanao kianja, malaza ny valanaretina dia handao hanangana ozinina mpamokatra fanafody,… Tena ho tonga amin’ny tanjona sy efa tena maty paika ve izany sa kitaitaitra fotsiny? Tena efa voalanjalanja ve ny laharampahamehana? Zavatra tsara ilay hatsangana, fa ny vahoaka anefa toa hadino sy hampiafiana tanteraka ao anaty fijaliana. Marina fa tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony, fa raha nihafy kely tany am-boalohany mba tena tsy hidiran’ny aretina teto, tsy ho tahaka izao ny daozin’ny fijaliana. Mba aiza ho aiza ny tena fitsinjovana ny vahoaka manontolo fa tsy olona 30 000 na 40 000 mahazo fanampiana no atao hoe sahirana amin’izao fotoana izao? Inona no tohana hoentin’ny fanjakana ho an’ireo tao anatin’ny sokajy antonony na “classe moyenne” efa nivarina any anaty fahantrana tanteraka? Mba aiza ny fitsinjovana ny mpiasa ana hetsiny na an-tapitrisany izay mikatso raha ho an’ny sehatra tsy ara-dalàna ary kofona sy sahirana tanteraka ho an’ny sehatra tsy miankina? Sanatrian’ny vava tena ho ara-bakiteny ilay hoe: tsy ho fatin’ny aretina, fa ho fatin’ny hanohanana sy ny fahantrana!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT