Miasa mangina mandresy lahatra ny Vondrona Afrikanina mba hanafoanana sazy momba an’i Madagasikara sy hanaiky ny fitondrana tetezamita mijoro amin’ny endriny ankehitriny ny FAT ka ny minisitry ny raharahambahiny Yvette Sylla sy olona vitsivitsy ao amin’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita no manao ny asa.
Tsy vitan’ny nitety firenena afrikanina vitsivitsy ramatoa minisitra fa dia tonga hatrany Parisy renivohitra Frantsay mihitsy. Tsy dia mahagaga ilay fihetsika satria i Lafrantsa no mpanao teny midina amin’ny mpitondra afrikanina sasantsasany mba hanaiky sy hiaro ny FAT. Mbola manana ny heriny aty Afrika i Frantsa noho ny maha mpanjanatany fahiny azy ary maro ny olony ao anatin’ireo fikambanam-paritra tahaka ny SADC, ny COI ny Vondrona Afrikanina, ny OIF, hatrany amin’ny Firenena Mikambana koa aza satria ny Sekretera jeneraly lefitry ny ONU misahana ny filaminana sy fandriampahalemana, Atoa Alain Le Roy dia efa masoivohon’i Frantsa teto. Ny tsikaritra anefa dia tsy nahatafavoaka ny baolina araka ny fomba fiteny ilay fihetsiketsehana natao. Efa maro amin’ny Afrikanina mantsy no tsy manaiky baikoin’ny Frantsay intsony.
Raha eo anivon’ny SADC manokana dia sarotra ho an’i Frantsa ny hanery an’i Afrika Atsimo na Zambia na ny Repoblika demokratika an’i Congo, na i Angola ka tonga dia hanaiky ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izay niaraha-nahafantatra tsara izao fa nanongam-panjakana tamin’ny 17 martsa 2009. Firenena niady sy niaritra ny mafy ireo ary mahalala tsara izany fitiavan-tanindrazana sy ady amian’ny tsy rariny sy ny fanjanahantany izany. Miha sarotra ny asa ho an’i Andry Rajoelina sy ireo mpanohana azy satria matanjaka ny mifanandrina aminy dia ny ankamaroan’ny firenena Afrikanina sy ireo fikambanana goavana tahaka ny Vondrona eoropeanina izay vondrona iraisam-pirenena mamatsy vola be indrindra an’i Madagasikara tato anatin’ny fito taona izao. Ny Amerikanina rahateo dia tsy nanaiky tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny tetezamitan’ankolafy tokana misy amin’izao fotoana, ary sarotra ny hifanandrina amin’ny bekintana. Raha amin’izao vaninandro iainantsika izao aloha, aleo miaraka aminy toy izay fahavalony. Miha sarotra iny lalana iny satria na any ivelany na ato anatiny dia maro be ny zava-mitranga mampitarazoka ny dia. Ilay fiverenan’ny fanampiana avy any ivelany aloha dia mbola any an-kibon’ny omby.
Ny eto an-toerana indray dia ho zava-doza ny ho vokatry ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany, ary hanaratsy endrika tanteraka ny FAT ny raharaha andramena, izay arakaraka ny nandraisana fepetra no nampiroborobo azy, ny herisetra etsy sy eroa tsy lazaina intsony ary dia miala bala araka ny fomba fiteny ny mpitandro ny filaminaa fa miantso fotsiny ny olona ho mailo sy hitandrina. Ny jiolahy anefa milanja basy mahery vaika avy any anaty lakazerina. Efa izany no fahasahiranana dia mbola misy sahy mihirahira ihany fa fifidianana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana no hanavotra ny firenena. Na ny mpikarakara ao anatiny aza anefa tsy mifanara-tsaina tsara ary tahaka ny mifampiandriandry izay ho solafaka voalohany izany !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.