Edito

Miha ratsy ny tantara


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Ao anatina vanim-potoana tena manahiana ny fiainan’izao tontolo izao ankehitriny.taorian’ny olana momba ireo mpifindra-monina tany eoropa mantsy dia io miha mahazo vahana io indray ny asa fampihorohoroana ataon’ny vondrona etat islamique na

« Daech » ka Etazonia sy Frantsa aloha hatreto no tena lasibatra any amin’ny taniny.Efa tena tany miady isika hoy ny mpitondra sy ny mpanao politika Frantsay ; hiha mafy noho izany ny ady atao any amin’ireo firenena sokajiana ho mampiantrano mpampiorohoro tahaka an’i Irak sy Syria.Ny vondrona eoropeanina moa dia manomboka tsy misy fitoniana ihany koa taorian’ny fisitahan-dry zareo Anglisy, atahorana hiitatra any amina firenen-kafa iny Brexit iny.Tsy maintsy hisy akony amin’ny politika ivelany na ny diplaomasia Frantsay io ady amin’ny asa fampihorohoroana ataony io, mila efa mivonona noho izany ny firenena mpiara-miasa aminy toa an’i Madagasikara fa sady hihena ny fanampiana ara-bola kanefa hiha mafy ny fepetra.Iny eo ihay fa ny tena mampanahy dia sao lahy ka mipaka aty gasikara ity herisetra mihatra amin’ny Frantsay sy ny fananany ity koa dia asa fotsiny e !Io efa iaraha-mahita io ny fanjakan’ny kolikoly sy ny gaboraraka eto ka na baomba iray kaontenera aza no miditra, tsy misy mahita.Vongam-baomba iray tanana anefa dia efa ampy hamonoana olona tsy latsaky ny 20.Ny hamisavisana ny ratsy hono dia mba hihavian’ny soa ..enga anie !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT