Miha ratsy noho ny omaly

Fiteny rehefa misy tranga tsy nisy


  • Zoma 16 Febroary 2024

fiovana anaty fiarahamonina na tokantrano, eny, tontolo sy firenena iray

ny hoe «omaly tsy miova». Miha ratsy noho ny omaly anefa ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny rehefa maharay ireo fampitam-baovao samihafa isam-paritra sy mijery ifotony ny zava-misy ihany koa. Miha ratsy noho ny omaly ny fitosaky ny fako eny rehetra eny. Toy izany koa ny fiakatry ny rano ao anatin’ny andro ratsy toy izao. Maro ny malagasy manahy mafy fa ho esorina amin’ny taniny rahampitso sy rahafakampitso. Manjaka sy miha lalina ny tsy fandriampahalemana. Mampihorohoro sy mampivarahontsana ao anatin’izany ny firongatry ny fakàna voamaso sy fanapahan-doha na fanolanana mbamin’ireo habibiana maro hafa tsy voatanisa. Tena maro ny lalana potika sy ratsy manerana ny nosy. Maro ireo lalana sy lalam-pirenena hitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ary tena mamono olona maro. Mitombo, raha fehezina, ny fahasahiranan’ny malagasy maro an’isa. Mbola faran’izay mahantra ny firenena hatramin’izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray omaly izay. Nivoaka koa iny ny tombana fa dia tompondakan’ny renivohitra maloto indrindra indray izany izao ny renivohitr’ity Madagasikara ity. Ivavahana mafy mba hipoitra ihany ny tena vahaolana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT