Miha ratsy isan’andro ny zava-mitranga eto amin’ny firenena na dia atao ankapobeny fotsiny aza ny fomba fijery azy. Tsy mbola miditra amin’ny tena antsipiriany akory.
Mitombo isan’andro ny horohoron-tsaina manoloana ny fihanak’ity areti-mandoza COVID 19 izay hibahanana haino aman-jery isan’andro ity kanefa ny Tazomoka sy Dengue izay nahafatesan’olona avo 2 na 3 heny mihoatra mitaha amin’izy io aza tsy dia asiana teny firy akory. Mivadibadika eo amin’Antananarivo sy Toamasina ny isan’ny olona betsaka indrindra mitondra ity otrikaretina malaza eran-tany ity eto amintsika. Isan’andro izao dia zary tsy mitombina ny saina sao sanatria ho isan’ireo ho entina hitoka-monina ary amin’ny toeram-pitsaboana ary. Ny tsy fandriampahalemana koa mbola saika heno isan’andro ho manenika faritra maro na dia anatin’izao fahamehana izao aza. Noterena ny fepetra teo aloha teo. Avy hatrany dia saika kenda ny ankamaroan’ny fiharian-dramalagasy. Maro mihitsy aza moa ireo very asa ary na ireo orinasa misy aza sahirana manarina fahavoazana ankehitriny. Io indray moa izao hoe halalahana tsikelikely saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe tsy hita izay hanaovana azy izy ity. Rehefa tsy afa-miodina araka ny tokony ho izy na inona na inona fihariana dia fahasahiranana hatrany izay no vokany. Niaraha-nahita fa tonga amin’ny teboka tsy azo anoharana ankehitriny ireo mpandraharaha ka voatery tsy maintsy mangataka toy ny rehetra ihany koa. Sa izay mihitsy ve no tanjon’ny mpitondra? Mampahatsiahy ny tenin’ilay solombavambahoaka iray izay hoe sakanany ianao tsy hiasa amin’izay mangataka aminy. Tena tsy voafehy tokoa ve ilay valan’aretina sa sanatria niniana tsy nofehezina, araka ny nambaran’ny mpanao politika. Ny eto an-drenivohitra indray moa izao no malaza ho ivon’izy ity ka dia vao mainka asa fotsiny izay ho tohiny, indrindra, taorian’iny haintrano nahatsiravina niseho omaly iny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.