Taorian'ilay fanambaran'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Frantsay (Quai d'Orsay) ny alarobia alina lasa teo, izay manamarika fa anjaran'ny Malagasy no mifanaraka sy mifandamina amin'ny resaka filatsahan-kofidiana, dia manomboka mazava ny hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny lalana izorana amin'ny famahana ny krizy.
Tokony ho samy kandida Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, midika izany fa tsy azo ihodivirana intsony ny fodian'ity farany fa mba fombafomba ihany sisa ilay hoe : fanadihadiana sy fanaovana tombana 30 ka hatramin'ny 60 andro. Amin'ny diplaomasia rahateo dia tsy misy fanambarana mazava sy mahitsy izany, fa tsy maintsy misabaka foana ny fehezanteny sy ny voambolana ampiasaina. Tsy mety amin'ny ankolafy Rajoelina anefa izany, ka izay no fantatra fa anton'ny nandehanan'ny filohan'ny tetezamita any ivelany, mba handresy lahatra indray izay azony resena lahatra any, mba tsy hanaiky ny fodian-dRavalomanana eto sy mba tsy hahafahany milatsaka hofidiana. Atoa Andry Rajoelina moa dia efa nilaza fa tsy eo ambonin'ny latabatry ny fifampidinihana intsony ilay hoe tsy kandida izy, taorian'ny dinika tany Seychelles.
Midika izany fa ho kandida ny tenany, iarahan'ny rehetra mahalala anefa fa tsy mety aminy raha mifaninana aminy Atoa Ravalomanana satria tsy maintsy hibaribary eo ny mbola fitiavan'ny olona, ity filoha teo aloha ity. Raha araka ny tsiliantsofina re moa dia toa hoe tsy naharesy lahatra ny SADC ny valin-tenin'ireo manamboninahitra ambony, raha nanontaniana ny antony tsy haneken'izy ireo ny hiverenan'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara izy ireo. I Madagasikara anefa tsy hoe tany miady sy nahitana ra mandriaka sy faty olona mitsirara eny amin'ny sisin-dalana tahaka ny tany Cote d 'Ivoire, sy Guinée. Efa fantapantatra ihany koa fa olona milamina sy tsy tia savorovoro izany ireo mpomba ny filoha teo aloha, ary na nisy aza ny fifandonana teo amin'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany dia, hita fa zavatra mbola azo sorohana sy alamina tsara ilay izy fa tsy sanatria mety hitarika any amin'ny ady an-trano.
Ary raha misy aza ny savorovoro dia anjaran'ny mpitandro ny filaminana no mandamina sy mifehy izany. Fa ny hita ho fahadisoan'ireo manamboninahitra ambony sasany dia izy ireo nampiseho mazava fankahalana an-dRavalomanana ary hita kosa hoe mitanila any amin'i Andry Rajoelina. Fa raha toa ka nafonja sy matotra ny fanazavan-kevitr'izy ireo tamin'ny SADC teto Madagasikara, dia mety hafa ny fanapahan-kevitra tany Maputo ary mety tavela tany Afrika Atsimo ihany Atoa Ravalomanana. Hita fa tena vaky loha mitady izay paikady rehetra hanakanana ny fahatongavan'ity filoha teo aloha ity an-tanindrazana ny ampahana mpitondra sy mpanao politika eto, saingy sarotra ny hahavitan'izy ireo izany, raha ny sehatra iraisam-pirenena no miteny hoe : tsy maintsy mody Ravalomanana ary kandida !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.