Edito

Miha manara-penitra ny firefarefana !


  • Talata 18 Jolay 2023

Mihazakazaka hatrany amin’ny filalaovana ny fihetseham-pon’ny olona sy ny fanaovana fisehosehoana.

Manao famelabelarana politika, arahina mpanotrona hisolelaka sy hitehaka dia tahaka ny mahomby ny zavatra atao. Tsy te hahalala izay hevitra sy tsikeran’ny hafa izany, fa tena tsy mahalala afatsy ny hoe: ny ahy sy izay lazaiko ihany no marina na efa midona amin’ny rindrina aza. Efa ataon’ny olona fihomehezana indraindray eo anatrehan’ny fihetsika sy fiteny toa zary lasa tsy arakaraka ny toeram-boninahitry ny mpiteny, fa tena lasa mirefarefa. Asa tena mpanolontsaina ve no manodidina ao sa sanatria mpanoro vohona. Toa lasa politikan’ny gisalahy mangala-ketsa ka ny efa manao ny tsy mety no avo vava. Tsy adala ny Malagasy, fa hainy ny mankasitraka rehefa misy zavatra tsara, tsy voatery miantso mpihoby sy mpitehaka manokana, tsy voatery manetsika kaonty fako,… Matoa tonga amin’ny fiezahana maneho sary ivelany fa mbola mamim-bahoaka sy manao fandokafan-tena ho nahay nitantana, dia mazava fa tsy mahatoky valera! Mampanongo tena indraindray no mandre sy mihaino ny adihevitra sy fanehoan-kevitry ny olona heverina ho faran-tampony eto amin’ny firenena, izay sanatria toa lasa manao resaka na fiteny na fihetsika tena mirefarefa, saingy rehefa misy mpitehaka voaomana, dia tahaka ny tena zavatra be kanefa toa sady mamita-tena no mamitaka vahoaka? Zary efa diska goaka matetika ny fitanisana an’izao sy izao. Zary lasa fomba fiasa ny fiheverena ny Malagasy ho bado sy dondrona, rehefa zohiana amin’ny fomba firesaky ny mpitondra ankehitriny. Ny dimy taona lasa mivadika mivadika folo taona, lasa mivadika taom-piasana maromaro,… Ohatra iray mivaingana ilay raharaha famahana ny olan’ny delestazy nanaratsiana fatratra ny mpitondra tany aloha. Noterena sa novozonina ilay Filoha ankehitriny nampanantena 400MW ao anatin’ny 5 taona. Tapitra ny taom-piasana dia mandeha ny familiviliana saim-bahoaka amin’ny hoe: izaho no nanasonia an’itsy, atomboka ny zaroa, atao izao,… ka hivaha ao anatin’ny 5 taona ny delestazy. Izany ve tsy efa fanabadoana manara-penitra ny Malagasy hoe: tsy nisy napoaka aho dimy taona ary io hitanareo io, saingy mbola fidio indray aho dimy taona manaraka fa tena hataoko io. Akoho tsy naneho ohatr’izay efa lanin’ny kary ka sao mba manaja tena no tsarak kokoa?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT