Miha maloto ny rivotra!

Resaka sisa ka atao izany hoe fihavanana, firaisankina, malagasy mahay mifamelona,


  • Alarobia 20 Septambra 2023

malagasy mahay mifanampy izany amin’izao vaninandro iainantsika eto Madagasikara izao.

Noheverina fa soatoavina isan’ny nampiavaka ny fiarahamonina teto hatramin’izay anefa izany. Misy olompirenena heverina ho nahita fianarana sy avaram-pianarana malagasy aza dia sahy miteny fa aleo mifaninana fa ilay mifanampy lasa mifanambaka. Raha fara faha keliny anefa, tato anatin’ny 10 taona farany izao, dia tsy ahitana malagasy firy intsony, indrindra, aty an-drenivohitra ka mbola miaina anatin’ireo soatoavina voalaza tetsy am-piandohana ireo. Malagasy mifanambaka, malagasy mifamono an-kolaka, malagasy tsy mifaninana akory fa “mifanindry”, araka ny voambolana fahita matetika taty aoriana no matetika hita. Lafiny ara-tsosialy sy toekarena kokoa izay fa aty amin’ny resaka politika izany moa dia tena manjaka ny fifanaratsiana sy fanabadoana vahoaka amin’ny endriny maro toy ny fandikana vilana ny fampitam-baovao mivoy eny amin’ireo tambazotran-tserasera. Fandrahonana, famotehana olona, fomba fijery bontolo, fanapahan-kevitra efa tsipahin’ny maro an’isa izao mbola irosoana ihany nefa hoe demokrasia no resaka. Izany sisa no hany lanjan-tsaina iainana eto amin’ilay firenena. Miha maloto ny rivotra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT