Edito

Miha mafy ny feon-dakolosy


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Mbola karakaina sy mitaraina ny tany. Tsy zarizary ny voly rehetra, indrindra, ny voly vary. Toy izany koa ny fiompiana. Hatreo fotsiny dia efa midika fa tsy milamina, fara-faha keliny, ny fiainan’ny 80%n’ny Malagasy,

 izay iaraha-mahalala fa tantsaha. Ny hoe miakatra hatrany ny vidina entana ilaina an-davan’andro moa io dia efa saika heno isan’andro saingy mampametra-panontaniana ny maro hoe inian’ny mpitondra tsy heno ve. Miha mafy ny feon-dakolosy mampitandrina na koa hoe manahy mihitsy fa mananontanona ny fipoahana sosialy. Toy izany koa ny hoe mitady hiverina indray ny olana fiatrika isaky ny fotoam-pifidianana efa nisy hatramin’ny taona 1991. Raha nisaina angamba ny antso natao ny amin’ny tokony hahaizan’ny mpitondra maka lesona amin’izay dia ity fitondrana ity no voateny matetika indrindra mikasika izany. Miseho ny endrika tsy fahaiza-mitantana rehetra, indrindra, ny lafiny toekarena. Ny harinkarena tato anatin’izao fitondrana izao irery no niiba ary tsy fitan’ny hoe latsaka 1 na 2 fa miiba 7 mahery be izao. 7,7%! Raha tsy maty tanteraka dia mamofona famindram-pahefana ho amina fitantanan’ny sehatra tsy miankina ireo orinasam-panjakana. Ny hany mety ho voafehy angamba sisa dia ny fampandaniana indray ny filoham-pirenena ankehitriny izay anton’ny fanahian’ireo herivelona politika maro amin’izao fotoana izao fa mampiverina ny tantara efa nisy izay niaraha-nahita fa namotika kokoa ny firenena indray. Ny antenimierandoholona, ny CENI, ny HCC, ny governora, eny, ny antenimieram-pirenena dia efa hita ho saika miloko volomboasary avokoa. Mampahatsiahy tantara efa nisy tokoa fa dia… asa aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT