Miha lasa faran’izay mora

Fiantson’ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

ary mbola voatazona hatramin’izao rehefa hiteny mikasika

an’ity Madagasikara ity ny hoe «Pays du moramora». Mora azo teto daholo izay heverina ho sarobidy rehetra any amin’ny firenen-kafa tamin’izany fotoana izany, raha ny voalazan’ireo raki-tsoratra momba ny tantaran’ity firenena ity sy ny fiarahamonina malagasy nisy tamin’ireny fotoana ireny moa izany. Ny volamena azo mora, ny filàna an-davan’andro azo mora, ny asa tanana malagasy koa azon-drizareo mora, ny rehetra dia saika azon-drizareo mora avokoa. Amin’izao fotoana izao moa dia miha lasa faran’izay mora mihitsy ny fahazoan’ireo vahiny ny tombontsoa efa hisitrahan’ny vahoaka eto amin’ity firenena ity. Ny efa hisitrahany aza moa izany no mahazo azy ka mainka fa hoe ireo tokony hisitrahany? Ireny izao farany teo, tany efa misy trano onenana malagasy 15 mahery farany teo, lasan’ny sinoa. Tsy rototra akory ny fivoahan’ny vaovao andro vitsy taty aoriana, rehefa sesilany ny tsikeran’ny olompirenena maro, hoe hanome tany 2ha isak’ireo olona lasibatry ny fandrodanan-drizareo trano ireo sinoa. Izay no nifanarahany tamin’ny repoblika malagasy dia vita kabary. Fari-dranomasintsika dia hoe omena tantanan’ny vahiny koa ny hazan-drano ao aminy, hoy ny minisitry ny jono tamin’izany mbola voatazona mandrak’ankehitriny dia tsy misy rototra. Nanao ahoana koa izao no niafaran’ilay tany niadian’ny fokonolona tamin’ny vahiny teny Antaninanandrano iny? Ny volamena 73,5kg any dia any. Ny volamena nivadika vy any dia any. Io indray koa izao ny olan’ny Base Toliara sy Bas Mangoky. Asa koa izay hihafarany! Ny biby hafahafa mandripaka fiharian’ny mponina nefa ity tsy misy resaka hoe ahoana marina ny momba azy? Mba miady amin’izany tranga mampihorohoro ny malagasy amin’izao fotoana izao izany ve ilay fitondrana mijoro sa dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe «mody mitapy» fotsiny? Inona indray izany izao no filàna sarobidy tokony ho an’ny vahoaka malagasy ho azon’ireo vahiny moramora foana ato ho ato sy mandra-pahatapitr’ity 5 taona faharoa ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT