Edito

Miha krizy indray


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Nihazakazaka ny fahasahiranam-bahoaka tato anatin’ny fitondrana HVM, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiakaran’ny vidim-bary avo 2 heny amin’ny teo aloha fotsiny sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika matetika ary ny sandam-bola ho 2000% be izao nanomboka tany amin’ny fiitondran’ny filoha Tsiranana no ho nankaty.

Raha fiakarana 1000% no nisy hatramin’ny tetezamita dia nitombo 1000% indray tamin’izao fitondrana izao rehefa nampidirina ny vola 20. 000 ariary. Tsy ilay antsoina hoe “dévaluation” intsony no nitranga fa efa “dépréciation” mihitsy. Ny fampihavanam-pirenena hapetraka ho olana, ny lisi-pifidianana nametraka olana, ireo ben’ny tanàna sotasotain’ny fitondram-panjakana. Hatrany amin’ny raharaham-piangonana aza miha misambadidaka. Toy izany koa ny eny amin’ireo sekoly, indrindra moa ny tontolon’ny fanaovan-gazety izay ain’ny firenena. Raha fehezina, rakotra olana sahady mialoha ny fifidianana ary mitady hitombina ny ahiahin’ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI sy ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CFM tamin’ny fiandohan’ny taona. Midika ireo fa raha tsy misy fanovam-pamindra goavana avy eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny rehetra dia hiaina krizy vaovao indray isika. Ny zava-mitranga rehetra rahateo efa samy manambara fa miha krizy isika izao. Etsy an-kilan’izay anefa, samy tsy misy rototra ny fiarahamonina fa mimenomenona sy samy manohy ny fiainany andavanandro ihany. Hiandry fifidianana ve vao handray andraikitra amin’ny fahavitsian’ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitra ? Aiza ireo mpanabe rehetra eo amin’ny lafiny maha olona sy maha olom-pirenena vanona ? Indrindra moa ireo rantsana isan-karazany nampanantena fa hanatanteraka fanabeazana ara-pifidianana eny ifotony mialoha ny fotoana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT